Filankevitry ny Minisitra mitety faritra

Mety handiana 1 miliara Ar mahery, tsy mangarahara…


  • Alatsinainy 26 Mey 2025

Mitombo ny ahiahy sy ny fanontaniana mikasika ny filankevitry ny minisitra

entin’ny fanjakana mitety faritra. Araka ny tombatombana nataon’i Patrick Raharimanana, dia mety ho 1 miliara ariary no vola laniana isaky ny fivoriana, nefa hatreto dia tsy mbola misy mangarahara ara-bola, na tatitra ofisialy mivoaka milaza ny tena fandaniana. Ekena fa misy lanjany ara-politika sy ara-pifandraisana amin’ny vahoaka ireny fitsidihana ireny, saingy mbola mipetraka ho fanontaniana lehibe hoe mendrika ve ny vola laniana amin’izany raha jerena ny filàna fototra mbola tsy voavaha any amin’ny faritra maro ? Araka ny fanazavana nomen’i Patrick Raharimanana, dia raisina ho ohatra amin’ny fandaniana ny saran-dalan’ny fiaramanidina manokana entin’ny filoha izay tombanana ho 40.000 euro isaky ny sidina miisa folo no anaovana kajy ahitana 200 tapitrisa ariary. Ampiana izany ny indemnité isan’andro ho an’ny filoha izay mahatratra 3 tapitrisa ariary amin’ny telo andro, ary ny fandaniana amin’ny ekipa manodidina azy toy ny mpiambina sy mpanolotsaina izay mahasaraka 6 tapitrisa ariary. Raha atambatra izany dia efa mahatratra 209 tapitrisa ariary mahery ho an’ny filoha irery. Tsy afaka miaraka amin’ny filoha amin’ny sidina ny praiminisitra araka ny fepetra fiarovana amin’ny loza, ka mitondra fiaramanidina hafa. Na dia ampiasaina aza ny sidina ara-barotra mahazatra dia tombanana ho 1 tapitrisa sy sasany ariary izany ho an’ny olona iray. Ny « indemnité » ho an’ny praiminisitra sy ny ekipany dia manodidina ny 19 tapitrisa ariary, ka mitombo hatrany ny totalim-bola lany amin’ity fizarana ity. Raha atao tombatombana fa minisitera 29 no ao amin’ny governemanta, saingy 25 ihany no afaka manatrika ny fivoriana, dia efa mahatratra 37 tapitrisa ariary ny « indemnité » ho azy ireo, sy 37 tapitrisa ariary koa ho an’ny saran-dalana. Tsy hadino ihany koa ny saran’ny ekipa manampy sy ny fiara entina mivezivezy, ka manampy hatrany amin’ny 45 tapitrisa ariary izany. Ankoatra ireo, dia mbola misy ihany koa ireo olom-panjakana ambony toy ny depiote, senatera, governora, préfet, sy ny tale jeneraly isan-karazany. Raha tombanana ho folo amin’izy ireo no tonga dia mitentina 6 tapitrisa ariary ny sakafo sy trano fandraisam-bahiny, ary 4 tapitrisa sy sasany ny saran-dalana. Ampiana amin’izany ireo mpandraharaha nasaina sy vahiny ofisialy izay entina mampitombo endrika sy lanjan’ny hetsika, mitentina 7 tapitrisa ariary indray. Eo ihany koa ireo mpanao gazety sy ekipa misahana ny serasera izay tombanana ho folo, mitentina 6 tapitrisa ariary ny fandaniana amin’ny sakafo sy trano, ary 15 tapitrisa ariary ny saran-dalana. Tsy ampoizina fa mitentina 30 tapitrisa ariary koa ny vola lany amin’ny mpitsena, vako-drazana, artista, podium ary sono.
TAFAKATRA 1 MILIARA AR
Ny ampahany lehibe indrindra amin’ny fandaniana dia ny fizarana vary tsinjo, menaka sy sira ho an’ny olona 10.000, izay tombanana ho 60.000 ariary isaky ny olona, ka mitentina 600 tapitrisa ariary izany. Raha atambatra ny vola lany amin’ny lafiny fandraharahana dia mitentina 419 tapitrisa ariary, ary 600 tapitrisa ariary amin’ny lafiny sosialy, ka mahatratra 1.019.200.000 Ar na 1 miliara ariary mahery amin’ny ankapobeny. Tsy hay lavina fa manana lanja ara-politika ny fivoriana toy izao, saingy araka ny fanamarihan’i Patrick Raharimanana, dia tsy manome fahefana mivantana ny filankevitra ifindrafindra toerana fa mitovy amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra efa nodinihina mialoha eny anivon’ny ministera tsirairay. 1 miliara ariary izany, raha mety ho efa afaka manangana EPP iray sahady isaky ny fivoriana. Mety kaonty ambony aza izany EPP izany, fa mahaloa « subvention » ana kaominina miisa 34 eo io raha ilay 30 tapitrisa Ar isaky ny kaominina,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT