Filankevitry ny governemanta alefa mivanta

Tsy dia fanao, lasa fifampihatsaram-belatsihy, manahy vary…


  • Alakamisy 09 Janoary 2025

Naneho hevitra mikasika ny filankevitry ny Minisitra nalefa ampahibemaso omaly ny mpanao politika izay efa kandida

filoham-pirenena Imbeh Serge Jovial Filohan’ny AFIMA na Antoky ny Fivoaran'ny Malagasy. Tena hanana ny tsara aho ka aleoko miteny. Ho an’ny endriny ivelany, ny zavatra tsapako dia tsy mbola nahita aloha aho hatreto eran-tany zany hoe : « Conseil des Ministres en direct » izany. Ny filankevitry ny minisitra dia handinihina sy handaniana ireo lalàna na didim-panjakana,…. Mety misy zavatra tsy hitoviana hevitra ao ka tsy tokony haseho ny tsy fitovian-kevitra misy eo amin’ny mpikamban’ny governemanta ho hitan’ny besinimaro satria rehefa lany ny didim-panjakana na ny lalàna iray dia tsy maintsy misy ny « cohésion gouvernemental » ka sarotra ny haneho hoe ilay olona tsy nanaiky ilay didy nefa miaro ilay didy avy eo », hoy izy. Eo amin’ny votoatiny, nambarany fa voafaritry ny lalàmpanorenana io, hiadian-kevitra sy handaniana fanapahana iraisana eo anivon’ny fahefana mpanatanteraka, toy ny fandaniana tetika sy lalàna mikasika ny governemanta na fanendrena tompon’andraikitra sy manam-pahefana ara-miaramila,… Ny tatitra na « compte rendu » izay efa tena voavolavola tsara ihany no hampahafantarina ny vahoaka, malalaka kosa ny Minisitra hiady hevitra mikasika ny politikan’ny governemanta. Noho izany sarotra, amin’ireo Ministra no miady hevitra malalaka mikasika ny politika ny Governemanta raha atao malalaka amin’ny haino aman-jery ny fampitana mivantana izany. Misy ihany koa ny ny atao hoe « devoirs de réserve et secret professionnels », hoy ity mpanao polititika sady manam-pahaizana ara-toekerana ity. Manaja izany ve ny hanaovana mivantana ny ny filankevitry ny Ministre ? Manaraka izany dia oviana ihany isika vao tonga saina hoe mila mahaleotena ara-tsakafo? Napetraka ny Sekretariam-panjakana eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika misahana ny fahaleovantena ara-tsakafo . Ataoko angambany fa tsy hitako loatra ny hilana ity Sekretariam-panjakana ity fa mandany vola (Budgétivore), izany hoe raha mbola manana eritreritra hanafatra. Vary izay foto-tsakafon’ny Malagasy foana isika isan-taona hoy hatrany i Imbeh Serge Jovial. Nahitsy izy naneho fa efa tato anaty 10 taona mahery isika manafatra vary foana ka nilazany hoe : tsy azontsika an-tsaina ve fa mila mahaeotena ara-tsakafo isika?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT