Politique

Filam-banona sa kapa vava ranjo ? Nohasarotina ny fampidirana elikoptera eto


  • Alatsinainy 14 Aogositra 2023

Kandida Filoham-pirenena tsy latsaky ny 3 no tojo olana goavana amin’izao fotoana eo amin’ny fanomanana ny fampielezan-kevitra sy fitetezam-paritra.

Tena lasa sarotra ny famidirina angidimby na elikoptera eto.Efa tsy eo am-pelatanan’ny aviation Civile de Madagascar (ACM) intsony ny fanomezana fahazoan-amin' mantsy fa hoe tsy maintsy alaina any amin’ny fiadidiana ny repoblika. Dia fantatra fa tsy maintsy omena roa volana mialoha ny anaran’ny mpanamory hitondra ilay elikoptera. Mbola tsy resahina amin’izany ny hoe ahoana no ampidiriana ny elikoptera eto. Fa tena sarotra ihany izany hoe hanome anarana roa volana mialoha izany, hoy ny fitarainan’ireo kandida ireto satria raha marary tampoka na tsy afaka ny mpanamory efa nosoratana anarana dia tsy avela hanidina ve izany ilay elikoptera raha mpanamory hafa no entina eo. Tsy mora anefa fa tena mila fiomanana goavana izany hampiditra elikoptera eto Madagasikara izany ; ary ny olona hanao an’io dia mazava be fa efa manana taratasy ara-dalàna takian’ny lalàna sy ny fifanarahana iraisam-pirenena ka inona ihany no anton’izao sangodim-panina be izao ?
RTT 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT