Filalaovana fiainam-pirenena

Dika mitovin’ny kandida no nentina nanao propagandy


  • Alatsinainy 06 Novambra 2023

Ny dika mitovin’ny kandida ho filoham-pirenena laharana faha 3, Andry Rajoelina,

izay nandray anjara tamina lalao amina fahitalavitra mirahavavy iray no nentina nialoha lalana nitety tanàna nanao ny propagandin’ity kandida ity tao Miandrivazo ny faran’ny herinandro teo. Hatairana ny an’ireo mpanara-baovao. Filalaovana fiainam-pirenena ara-bakiteny no niseho, hoy ny fandravonana ireo tsikera nahakasika ity tranga neverin’ny maro ho fahasahiana tsy roa aman-tany ity. Tsy kilalaon-jaza akory ity fa raharaham-pirenena, hoy ny hafa. Ny olombelona aseho entina mandresy lahatra mihitsy ity no efa tsy amin’ilay tena izy intsony, hoy koa ny vazivazy zaritena teny amin’ny tambazotran-tserasera teny.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT