Politique

Fikotrehana korontana Tsy azo ekena, hoy ny Kung fu


  • Talata 10 Aprily 2018

Nohamafisin’ny mpanao kung fu tarihan’ny Grand Maitre Avoko nandritra ny fihaonambe fankalazana ny faha-38 taonan’ny kung fu wisa tany Antsirabe farany teo fa tsy azo ekena ny fikononkononana korontana eto Madagasikara, indrindra fa ny ao Antsirabe ary dia hanambatra ny heriny izy ireo hanoherana izany raha sanatria ka misy alaim-panahy hamboly korontana.

 

 Miantso hatrany fitoniana sy firaisankina ho an’ny vahoaka Malagasy ny mpikatroka kung fu mba hahafahan’ny fiarahamonina miaina sy miasa tsara. 5000 mahery ireo mpikatroka kung fu Vakinankaratra nanao hazakazaka rodobe tany Antsirabe ny sabotsy teo. Nampiavaka ny hetsika ny fijoroana vavolombelon’ny tantara nataon’ireo mpanao kung fu nogadraina sy niaritra ny tifitra basy sy ny famonoana nataon’ny tafika tamin’ny 1985. Nanambara ny Grand maitre Avoko fa ireo zokibe nijoro vavolombelona ireo no zezika mampiroborobo ny kung fu ankehitriny, ary ny faritra Vakinankaratra dia efa manana mpikambana manodidina ny 60 000 raha toa ka mahatratra 500 000 ny mpikambana manerana ny nosy. Anisan’ny mangataka ny hirotsahan’ny filoham-pirenena am-perinasa Hery Rajaonarimampianina ho kandida amin’ny fifidianana filoha ho avy eo ny mpikatroka Kung Fu ao Vakinankaratra raha araka ny kabary nifandimby tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo. Eto Antananarivo indray moa no hanohizana ny hetsika lehibe fanamarihana ny faha-38 taonan’ity haiady nentin’ny Grand maitre Pierre Be ity ny 15 aprily ho avy izao.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT