Fikotrehana ady an-trano

Miha zava-doza, mila mitandrina ny rehetra


  • Alakamisy 19 Oktobra 2023

Mihazakazaka ny filalaovana serasera sy famafazana vaovao ahiana ho tsy mitombina mety hanakorontana sy hiteraka ady an-trano

amin’izao toe-draharaha polotika mafampana izao. Mety hitera-doza ho an’ny firenena raha tsy mitandrina ny rehetra. Isan’ny niteraka adihevitra ohatra ny fanapariahana tamin’ny tambajotran-tserasera, fa renim-pianankaviana iray mpiara-dia amin’ny volomboasary no namoy ny ainy, izay nolazaina fa nodomin’ny fiaran’ny kandida iray teny Andavamamba ny talata teo, nandritra ny fampiadiana vahoaka nokotrehin’ny vondron’olona mpanohana kandida iray. Samy nahazo ny horonan-tsarin’ny zavatra nitranga rehetra teny an-toerana na ny olon-tsotra na ny mpanao gazety, saingy tsy nisy aloha ny porofo mazava manamarina izany. Misy aza ny manao fandisoana milaza fa nitambotsotra tampoka noho ny resaka fijanonan’ny fo, ka nentina nialana nenina teny amin’ny Hopitaly, saingy tsy tana ny ainy. Inona izany no tena marina? Sanatrian’ny vava ve lalaovina ny fahafatesana hoentina mandoto sy manasoketa mpanao politika? Ny tsy azo lavina aloha dia niharihary ary nisy fanimbana fananan’olona, izay voaporofo mazava amin’ny horonan-tsary. Andrasana izay mety ho fanadihadian’ny manam-pahefana eo anatrehan’ny fahamarinana na tsia ny filazana fa fiarana kandida tokoa no nahafaty ilay olona? Tahaka izany ihany koa ny resaka heloka an’habaka eo anatrehan’ny fivoizana vaovao mamoa-doza tahaka ireny raha tsy mitombina? Zava-doza mety tsy hampoizina no aterany, rombo, fitsaram-bahoaka,… ka hisy ve ny fandraisana fepetra hentitra mifandraika amin’izany raha tsy marina tokoa? Fifandrifian-javatra ihany koa ve ny filazana fa novonoin’ny mpanohitra ihany koa no nahafaty lehilahy iray voalaza fa mpanohana ny volomboasary tany Ambilobe? Sao sanatrian’ny vava tena efa tetika maloto hoenti-mamboly ady an-trano sy fifankahalana ka taorian’ny mety ho hetraketraka natao dia mamorona zavatra hafa mba hilazana fa lasibatra? Sanatrian’ny vava lalaovina amin’ny politika ve ny resaka fahafatesana? Mila mitandrina ny rehetra satria tsy misy manana tombotsoa amin’ny sakoroka sy fifandrafian’ny samy Malagasy!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT