Fikasàna hanambatra hery politika

Tsy hilaozan’ny mpandoto rano kanefa…


  • Alarobia 26 Febroary 2025

Nahoraka ny faran’ny herinandro teo ny fihaonan’ireo vondrona sy antoko politika nilaza ho tapa-kevitra

ny hanohitra ny fomba fitantanana izao firenena ankehitriny izao. Nisy ny efa an-taonany maro, raha ny angom-baovao voaray, no efa nitonona ho mpanohitra ary mbola tazana teny an-toerana nisolo tena ny antoko na vondrona politika misy azy. Fantatra ihany koa, etsy ankilan’izay, fa isan’ny niteraka fifanolanana ny famerenan’ireo mpikambana sasany ao anatin’ny antoko politika Tiako i Madagasikara na TIM fa mbola ity antoko ity ihany hatreto no tena mpanohitra na dia niaraha-nahita hatramin’izao aza fa tsy nahavanona ny fomba fanoherana nentiny tao anatin’izay 16 taona izay, izany hoe nanomboka ny tetezamita 2009 ka hatramin’izao fidirana amin’ny fotoam-piasana faharoa maha filohan’ny repoblika malagasy ny filoha ankehitriny, Andry Rajoelina, izao. Hatramin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo ny taona 2023 moa io no efa nahavelom-panontaniana mpanara-baovao maro hoe lojika ve ny fisian’izany firehana 2 mifanohitra efa ho 15 taona izany nefa sady tsy nirodana ilay notoherina no mbola mahantra velona tahaka izao ihany ilay firenena? Ny mpanara-baovao ihany koa taty aoriana no namoaka tsoa-kevitra sy mametraka ahiahy fa tsy ferana ny mety fisian’ny fifanarahana ambadika na «deal» teo amin’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, sy ny ankehitriny, Andry Rajoelina, tao anatin’izay 16 taona izay matoa ity firenena ity mbola tafajanona amin’izao toerana misy azy izao. Isan’ny resaka mandeha koa ankoatran’izay ny fisiana mpitsikilo ao anaty fanoherana na ireo mandray ity fanaovana politika ity ho toy ny asa mihitsy ka tonga amin’ilay fitenenana hoe manao bizina politika. Na eo aza, araka izany, ny fikasàna hanambatra hery politika eto amin’ity firenena ity dia mbola tsikaritra hatrany hatreto fa tsy hilaozan’ny mpandoto rano izany rehetra izany, miampy ny mety ho karazana hambo-po politika diso toerana ny fanoherana. Na izany aza, zava-dehibe ny tokony hanehoan’ny rehetra fampitoviana fijery ka hampandeferana ny hambo-po politika sy ny tombotsoa manokana satria tena milentika ny Firenena.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT