karohana i Kolonely Patrick…
Andro maromaro taorian’ny nilazan’ny Filoham-panjakana raha nihaona tamin’ireo Malagasy any Guinée Equatoriale ny fisiana fikasana hanakorontana ny Firenena sy hifofo ny ainy ka nilazany fa efa mandeha ny fanadihadiana ary misy olona hatolotra ny Fitsarana, dia nivoaka ny tatitra ofisialin’ny Fitsarana tamin’ny alalan’ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany eto Antana-narivo Rtoa Rakotoniaina Narindra Navalona omaly. Nambara fa olona miisa 13 no natolotra ny fampanoavana ka niatrika ny mpitsara mpanao famotorana ny 31 martsa lasa teo. Voarohirohy tamin’ny raharaha fikasana hifofo ny ain’ny Filohan’ny fanavaozana sy hanatanteraka fanonganam-panjakana efa nomanina tao anatin’ny fotoana lavalava, tamin’ny alalan’ny fikasana hifofo ny ain’ny PRRM. « Anisan’ny nikononkonona sy nanao ny fandaminana rehetra mikasika izany heloka bevava izany ny kolonely Patrick Rakotomamonjy », hoy ny Rtoa Rakotoniaina Nandritra Navalona. Io manamboninahitra io, izay marihina fa nandrangaranga fitaovam-piadiana tamin’ny horonan-tsary nataony, efa nilaza fa manana fitaovam-piadiana sy bala, ary tsy mifampatahotra fa samy kolonely,…. Araka ny tatitra, nambara fa hita tamin’ny fanadihadiana ny fifampiresahana nifanaovan’ireo voapanga, ka tamin’ny alalan’ny « SMS » sy hafatra miafina tany amin’ny Whatsapp. Nisy ny voapanga sasany nanao fihaiken-keloka fa ny vola 20 miliara Ar izay hita tao amin’ny kaontin’izy ireo no heontina hampiasaina hanatanterahana izany heloka bevava izany. Nomarihin’ny tonia mpampanoa lalàna fa nanatanteraka fivoriana matetika ireo voaapanga nentina namolavolana ny paikady rehetra. Nahafahana nahita vola sy fitaovam-piadiana maro ny fisavana trano. Misy manamboninahitra voarohirohy ao anatin’ity raharaha ity, ka anisany ny jeneraly iray izay efa nidina an-dalambe ka naneho ny fahavonanany hanongam-panjakana. Fikasana hifofo ny ain’ny Filoham-panjakana, fidirana anatin’ny fikambanan-jiolahy, fihazonana fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna, ary firaisana tsikombakomba izay samy voatondro sy faizin’ny fehezan-dalàna famaizana no vesatra hanenjehana azy ireo, raha ny fanazavan’ny Tonia Mpampanoa Lalàna hatrany. 11 naiditra am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana azy ireo, ary misy ireo mbola karohina ka efa namoahan’ny mpitsara mpanao famotorona didy mampiasambotra azy ireo. Tsy tena nisy filazana ny antsipiriany ny momba ireo voakasika tamin’ity afera ity, afatsy ny anaran’ny Kolonely Rakotomamonjy Patrick izay heverina fa anisan’ireo namoahan’ny fitsarana didy fampiasamborana raha raisina amin’ity fanambarana ity. Ny jeneraly Rafidison Alain Bernardin ilay nidina teny amin’ny 13 mey ny 22 oktobra 2025 ilay hoe jeneraly iray efa nidina an-dalambe voaresaka eto? Heverina fa tafiditra ao anatin’io raharaha io ihany koa ny nisamborana an’i Sylvain Rabetsaroana ny 14 martsa 2026 lasa teo izay voalaza fa nahitana volabe sy fitaovam-piadiana ary fifampiresahana. Nisy depiote iray voatonontonona ho nikasa hampamono filohana andrim-panjakana ihany koa moa ary re fa mety hoesorina ny « immunité parlementaire »,… Tsy vao izao io resaka hoe : fikasana hamono ny Filoham-panjakana io, fa efa hatrany amin’ny oktobra 2025 no nisy resaka fampiasana volabe 28 miliara Ar hifofoana ny ainy. Andrasana indray izany ny tohiny !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.