Fikasana hamono ny Filoha vaovao

Tena mitombina sa fanodinkodinana saim-bahoaka…


  • Alarobia 22 Oktobra 2025

Nanaitra ny nilazan'ny depiote Fidèle Razarapiera

omaly 21 oktobra teny amin'ny Antenimierampirenena fa misy mikasa hamono ny Filoham-panjakana Kolonely Randrianirina Michael. 28 miliara Ariary no nambarany fa homena ireo izay manatanteraka izany araky ny "renseignements" ananany. Vavolombelon'izany ny Filohan'ny Antenimierampirenena Siteny Randrianasoloniaiko », araka ny resak’io depiote io. "Tsy resaka mandeha na honohono fa tena misy izay fikasana hifofo ny ain'i Colonel Michael izay" izay hoy hatrany i Fidèle Razarapiera. Tena zavatra goavana sy stratejika be amin'ny fiainam-pirenena izany na mitombina na tsia. Misy ihany mantsy ny mametra-panontaniana hoe: sao mba fanodinkodinana saim-bahoaka noho ny adihevitra politika mandeha indrindra fa resabe momba ny fanendrena Praiminisitra? Ara-politika, miakatra be ny ahiahy sy fanankianana noho tsy fisian'ny mangarahara manodidina ny safidy sy fanendrena, saingy efa izy moa no nosafidiana dia hajaina aloha satria ilay olona aza mbola tsy niasa. Raha olon-tsotra fa tsy depiote no niteny an’iny dia mety hafahafa kokoa ny fipetrany. Raha tamin'ny fitondrana teo aloha efa voasambotra izay namoaka an'io. Marina fa henjana ny « renseignements militaires » saingy raha fantatra fa misy 28 miliara hamonoana ny Kolonely Michael ve dia tsy efa natao toy ny Appolo 21 ny fisamborana ? Mbola tsy nanamarina na nandiso ny fisian’io Fiadidian’ny fanavaoazana ny Repoblika.
TSY AZO HAMAIVANINA
Tsy azo hamaivanina io amin'ny lafiny iray satria betsaka no tsy faly amin'ny fiovam-pitantanana sy fikasana hanova ny Firenena. Fanamby napetrak'ity manamboninahitra izay heverin'ny ankamaroan'ny Malagasy ho tara-masoandro hitondra fahazavana vaovao ho an'ny Firenena ity mantsy ny: hanapaka tanteraka ny fomba fanao ratsy nandetika ny Firenena, hamongotra ny kolikoly sy ny tsy maty manota, hiady amin'ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, hamerina ny Fanjakana tan-dalàna,... Lojika raha mitombona ireo mitsangana ho fahavalony, indrindra fa ireo mpitondra nihevitra ho amperora teto. Ao ireo mety ho voakitikitika tombotsoa rehefa nirodana ny Fanjakana niaro sy niray tsikombakomba taminy. Mety hanelingelina ny tombotsoan'ireo mafia avy ato anatiny na hery goavana sy Firenena avy any ivelany ny fijoroany hanadio ny Firenena, ka lojika ny mety fikasana hifofo ny ainy. Heverina sy inoana araka izany fa efa misy ny fepetra hentitra mifandraika amin'itony resaka itony momba ny fiarovana ny ain'ny Filoham-panjakana. Heverina fa vao nanomboka teo amin'ny fijoroany voalohany niaraka tamin'ireo tafi-bahoaka hitodika amin'ny vahoaka, dia efa misy vondron'olona sy vondrona ara-toekarena nitsangana ho fahavalony. Fahita aty Afrika ny fifofoana ny ain'ireo mpitondra tia tanindrazana, manana fijery mahitsy hanala ny vahoaka ao anaty kizon'ny fahantrana,... Anisan'ny lasibatr'izany ry Thomas Sankara, Ratsimandrava,... Tahaka izany ihany koa ny Filoha Burkinabe Kolonely Ibrahim Traore izay mbola misy mikasa hifofo ny ainy noho ny rivo-baovao nentiny amin’ny fitondrana ny Fireneny, saingy tsy mahafaly ny Firenena vahiny sasany noho ny mety fahaverezana tombotsoa vokatry ny safidy politika, jeopolitika, toekarena. Tsy azo hamaivanina noho izany amin’ny lafiny iray ny mety hisiana fikasana hifofo aina Filoham-panjakana nomen'ny vahoaka fitokisana taorian'ny fandravana ny jadona sy fangejana.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Paul Rabary
  • Alarobia 22 Aprily 2026

«Apetraho dien’izao ny rafitra tsy mitanila!»

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT