10 andro lasa izay no namoahan’ny
manam-pahefana tamin’ny alalan’ny CIS na « Central Intelligence Service » vaovao ofisialy mikasika ny fisiana fikasana hifofo ny ain’ny Filoham-panjakana. Mpandraharaha teratany vahiny roa efa nipetraka teto Madagasikara nandritry ny 10 taona no nambara fa efa voasambotra tamin’izany. Nambara fa notazonina tao amin’ny Borigady misahana ny heloka bevava na BC Anosy tamin’ny fahatrarana ny tranga. Henjana ny loharanom-baovaon’ny manam-pahefana, narahina fisavana ny zoma 7 novambra novambra tamin'ny 5 ora sy sasany hariva ary tsy tapitra raha tsy ny sabotsy 8 novambra tamin'ny 6 ora maraina. Ny CIS sy ny BC4 (Brigade Criminelle 4 è Section) no nanao ny Fisavàna rehefa nahazo Alalana avy amin'ny Procureur Général. Nivoaka tao anatin’ny tatitra fa tafakatra 6 ireo basy tratra izay basy vaovao avokoa niaraka tamin'ny bala maro be (fusils 6, Pistolets automatique 3, munitions). Tsy vitan’izay fa mbola nisy vola nahatratra 1.9 miliara Ariary mbola tao anaty « sachet » raha ny 100 tapitrisa ariary kosa somary efa malotoloto. Vola Vahiny (Devises) vitsivitsy no tratra tao anaty trano lehibe iray, niaraka tamin’ireo. Mbola mitohy nitohy ny fisavana na « perquisition » sy ny fisamborana ny andron’ny sabotsy, ka olona 3 hafa naman'ireto efa voasambotra ireto no tratra, raha ny tatitry ny CIS tarihin’ny Contrôleur Général de Police‚ Lebiria Rufin Tolojarany. Nambara fa efa voamarina fa fikasana hanakorontana fitondrana na « déstabilisation » izay kasaina atao ny 15-28 novambra sy fikasana hamono ny filoham-panjakana no tanjona. Mbola misy olona 2 hafa ihany koanambara fa karohina, ka nambara fa mbola mitazona vola sy fotaovam-piadiana toy izany ihany koa. Nambara tao anatin’io, fa mbola misy ny tsiambaratelo ho fanohizana ny famotorana saingy nanome toky ny CIS fa tsy maintsy ho haseho tarehy amin'ny vahoaka malagasy ireto voasambotra ireto rehefa vita hatramin'ny farany ny famotorana. Nambara tamin’izany fa mbola misy tambazotra miisa roa hafa hanaovana fisavana izay mifandray amin’ity raharaha ity ihany. Asa raha misy ifandraisan’ny nilazan’ ny depiote Fidèle Razarapiera tany amin’ny 20 oktobra 2025 hoe : misy vola 28 miliara Ar miodina any, fikasana hamono ny filoha Kolonely Randrianirina Michael ? Saropady ary tena raharaha goavana izany resaka fikasana hamono Filoham-panjakana izany ? Ny zava-dehibe aloha dia voasoroka ny teti-dratsy raha tena izay tokoa. Manitikitika ny sain’ny olom-pirenena kosa ny tohiny hoe : nanao ahoana ny tohiny? Marina fa misy ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana, saingy somary manitikitika ihany 10 andro aty aoriana ny hoe : mby aiza sy nanao ahoana ? Rahoviana no hatolotra ny Fitsarana ireo voasambotra? Nanao ahoana ny tohin’ny fisavana ny tambajotra faharoa ? Vahiny avokoa sa misy teratany Malagasy indrindra fa mpanao politika ambadiky ny ambara fa fisiana teti-dratsy hamono ny filoha ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.