Politique

Fikarohana solitany Be dia be ny teboka tsy mazava


  • Alakamisy 10 Novambra 2011

Misy 16 amin’izao fotoana ireo orinasa manao fikarohana solitany eto Madagasikara.

 Zara anefa raha manana vaovao momba ny tombontsoa sy ny risika mety azo avy amin’ny fitrandrahana na koa famokarana any aoriana any ny vahoaka Malagasy. Tazonin’ny fanjakana ho tsiambaratelo rahateo ny fifanarahana amin’ireo orinasa manao fitrandrahana ary tsy maintsy mankeny anivon’ny ONE ihany koa vao mahazo mamaky ny bokinandraikitra ara-tontolo iainana sy ara-tsosialy mamatotra ny orinasa mpanao fitrandrahana tsirairay avy. Manoloana ireo fanontaniana maro tsy mbola ahazoam-baliny dia nivondrona anatin’ny fiarahamonim-pirenena iray antsoina hoe “Arena” ny fikambanana miisa 6 miasa eo amin’ny sehatry ny solitany any amin’ny faritra andrefan’ny nosy. Hampahalala ireo teboka tsara ho fantatra momba ny tontolon’ny solitany eto an-toerana sy maneran-tany miaraka amin’ireo tombontsoa sy zava-doza mety haterany ny Arena. Tanjony, araka ny nambaran’i Holy Rakotondralambo sekretera ny hampahalalana ny vahoaka ireo tsy fanarahan-dalàna ataon’ireny orinasa ireny.

Mametraka fanamby ny hahatonga ny fiarahamonim-pirenena ho singa manapa-kevitra ihany koa amin’ny famolavolana ny fifanarahana ataon’ny fanjakana sy ireo orinasa koa ity vovonana ity ankoatra ny faniriany ho tonga elanelam-panahy amin’ireo mpisehatra rehetra ary farany ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana amin’ity sehatra ity. Ny volana desambra 2010 no nitsangana ny Arena izay efa manana tetikasa matipaika hanatanterahana ireo tanjona ireo. Ny 23 ka hatramin’ny 26 novambra izao dia misy ny atrikasa sy famelabelaran-kevitra tontosaina ao amin’ny efitranon’ny Antenimieran’ny varotra ao Mahajanga. Mifototra amin’ny resaka solitany avokoa ny hetsika rehetra mandritra izany. Anisan’ny voalahatra ny famelabelaran-kevitra momba ny anjara toeran’ny solitany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny toeran’ny solitany aty amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana, ny zava-doza aterany, ny lalàna mifehy azy eto amintsika ary ireo karazana asa hoforoniny rehefa tonga ny dingan’ny fitrandrahana. Santatra ihany io fa mbola hotanterahana isam-paritra. Marihina fa tsy mbola misy toeram-piofanana manofana teknisianina na injeniera manampahaizana momba ny solitany eto amintsika fa mijanona ho taranja ampianarina fotsiny izy eny anivon’ny sekoly polyteknika. Mila omanina dieny izao anefa ny tanora Malagasy satria tsy maintsy hisy ny fitrandrahana eto amintsika na ho ela na ho haingana. Efa miha ritra mantsy ny tahiry ananan’ireo firenena mpamokatra azy ankehitriny noho ny habetsaky ny tinady.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT