Amin’ny alalan’ny fifidianana ihany no tokony hakana fahefana ao amin’ny firenena demokratika sy mandala ny atao hoe repoblika, hoy ny filohan’ny antokom-bahoaka malagasy, Dany Rakotoson.
Ny antoko politika ABA dia efa nanomana sy nanana ny azy tamin’ny filoham-pirenena. Nisy 6 koa tamin’ny depiote. Faritra atsinanana, Fianarantsoa, Farafangana, Antananarivo Avaradrano, Mahajanga dia samy efa misy vonombonona koa ankehitriny hanomana ny fifidianana ben’ny tanàna saingy ny olana dia ity tsy fahamatoran’ny fanjakana amin’ny fikarakarana ity ka tsy mbola hita foana ny didim-pitondrana milaza ny tena datim-pifidianana. Tokony ho matotra ny fanjakana amin’ny fametrahana daty fa tsy hadalan’ny amerikanina no manao izany. Milamina ny saina rehefa mazava ny daty ary foana ny ahiahy rehetra satria azo ahitsy mialoha ny tena fitsipi-dalao, hoy hatrany ny fanazavany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.