Fikarakarana fifidianana

Miha hafahafa hatrany…


  • Alatsinainy 11 Septambra 2023

Namoaka ny lisitra ofisialin’ireo nekena ho nahafeno ara-dalàna ny antotan-taratasim-pilatsahan-kofidiany ka ho

isan’ireo afaka ho fidiana ho filoham-pirenena malagasy ny 9 novambra izao ny sabotsy 9 septambra teo ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC. 13 isa tamin’ireo nametraka izany antotan-taratasy izany no neken’ity rafitra etsy Ambohidahy ity. 13 izay tarehimarika ankafizin’ny filoham-pirenena vao nametra-pialana, Andry Rajoelina, no sady heveriny sy ny ekipany ihany koa fa manambina azy ireo. Mampametra-panontaniana voalohany ireo mpanara-baovao ny hoe fa maninona no 13 nefa efa ho 25 isa ireo nametraka antotan-taratasy? Kisendrasendra ihany koa ve ny nampifanitsy ny laharana faha 13 tamin’ny anaran’ny kandida Andry Nirina Rajoelina raha toa ka nifanitsy tamin’ny anaran’ny kandida Tahina Razafinjoelina izany teo am-pandraisana ireo antotan-taratasy? Hatreo aloha dia tsikaritra ho miha hafahafa hatrany ity fikarakarana fifidianana indray mitoraka ity. Ho atao miharihary mihitsy ve izany ny fanomezan’ireo rafitra heverina fa natao tsy hiandany amin’iza na iza toy ny HCC sy CENI tombony manokana ho an’ny kandidam-panjakana izay efa hita fa nalalaka loatra tamin’ny famorian’olona na an-kalamanjana io anaty kaongresy hatreny an-tokontany? Ny mpanohitra rehetra nefa norarana hatrany na aiza na aiza nalehany. Sao mba efa vita mialoha koa ny atsapaka fa fombafomba sisa ny amin’ity alatsinainy ity ary hijanona amin’ny laharana ankafiziny ihany ny filoham-pirenena teo aloha, Andry Rajoelina, dia ny laharana faha 13 satria izay sitrapony hatrany no ho tanterahana na dia efa tsy eo amin’ny toerany intsony aza?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT