vita, mitohy ny asa...
Nanao tatitra sy ny dingana vita mikasika ny fizotry ny asany ny Minisiteram-panjakana eo anivon'ny Fiadidian'ny Repoblika misahana ny fanavaozana na ny MEPC tarihin'ny Minisitra Hanitra Razafimanantsoa ny andron'ny omaly. Tao anatin'ny 4 volana, nanaraka ny tetiandro novolavolaina, ka misy ireo dingana lehibe natao sy eo am-panatanterahana. Faritra 10 no efa notetezina, nanaovana dingana savaranonando, nisintonana hevitra sy traikefa teny ifotony (fokontany, kaominina, faritra) hojerena ny tena zavatra andrasan'ny Malagasy amin'ny Fikaondoham-pirenena. Hifototra amin'ny fikaondoham-pirenena mahaleotena sy manaja ny fiandrianam-pirenena na "Consultation nationale souveraine" ka isika samy Malagasy no hanao azy fa tsy baikoana toy ny tamin'ny 2009, ny hafa manampy fotsiny. Samy maniry hitondra anjara biriky ny olona eny ifotony, tsy maintsy jerena araka ny Kolontsaina isam-paritra, tsy maintsy nojerena izay olona iraisana (mpitondra ara-drazana, FFKM,...). Efa nisy ny fiaraha-midinika niaraka tamin'ny tanora, indrindra fa ny GEN Z, nanomanana ny fanontaniana tokony hapetraka eny amin'ny fokontany, ny filàna sy fitakiana tsy mitovy eo amin'ny samy tanora fa samy homena sehatra. Teo ihany koa ny fikaonandohan'ny tanora niarahana tamin'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny fanatanjahantena izay mbola mandeha, izay navoitra fa homen-danja ny tanora noho izy ireo manana hevitra sy hetaheta, satria ihany koa ireo no ho mpanapa-kevitra atsy ho atsy. Hapetraka ny "comité de reflexion des jeunes", ilaina amin'ny fikaonandoha momba ny tanora. Nanao ny "diagnostic institutionnel", ka nametraka drafitra stratejika niainga tamin'ny tombana natao niainga teny ifotony. Nanao fiaraha-midinika tamin'ny firaisamonim-pirenena izay mbola mitohy. 32 hatreto ny Fikambanana sy firaisamonim-pirenena efa nandray anjara. Natao ho an'ny rehetra sy andraisan'ny rehetra anjara. Namporisihina ny "concertation sectorielle " na fikaonandoha isan-tsehatra: tafika, Zandary, toekarena,... ka manao tan-tsoroka hatrany ny MPCR. Nisy ny efa nahavita ary misy ny an-dalana. Mazava ho azy fa efa misy ny volavolan-kevitra fanatsara isan-tsehatra ao anatin'ny fikaonandoha nasionaly. Asa hafa ny "pacte morale nationale", hoentina any amin'ny andrim-panjakana rehetra, Minisitera, hahafahana manavao izay tokony havaozina eny amin'izy ireny, toy ny fampiharana ny lalàna, izay misy fa ny fampiharana no ratsy. Hiditra ifotony eny amin'ny fokontany. Hanao fikaonandoha andrana amin'ny faritra 3 ahitana amin'ny zavatra tena takiana sy andrasan'ny vahoaka, hidina ifotony,...
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.