Politique

Fikaonandoham-pirenena “Vao mainka rotaka raha tsy tonga amin’ny fifidianana”


  • Zoma 03 Martsa 2023

Fikaonandoham-pirenena izany, jeneraly aho no miteny, mety hivadika fanonganam-panjakana, hoy ny jeneraly misotro ronono, Lumène Rasolofo.

Matoa ny fitondram-panjakana manaiky fikaonandoha dia miha malemy izy izay, hoy izy. Vao raikitra io dia hisy fanapahan-kevitra hivoaka dia hisy indray ny hoe ahemotra, hono, ny fifidianana taorian’ny fikaonandoham-pirenena. Rehefa tsy tanteraka ny fifidianana dia mety hivadika rotaka, tetezamita. Aleo hisy ny fifidianana fa hatsaraina fotsiny ny fanaovana azy. Fanatsarana, ohatra, ny hoe asiana QR ny karatry ny mpifidy. Azo asiana sary dia aranty eo hoe ireto daholo no afaka mifidy amin’ny 9 novambra. Tsy voatery hikitika lalàna manao an’izany. Mitombo izany eo ny mangarahara. Zava-dehibe ny fandraisan’anjaran’ny mpanao politika amin’ny fampirisihana ny olona hifidy raha tena tia tanindrazana marina izy. Fahitako azy dia tsy maintsy hisy ny fifidianana satria vao mainka isika ho tafiditra anaty krizy raha tsy hisy ny fifidianana. Anjaran’ny fanjakana no mitady famatsiam-bola. Miova izao ny tondro rehetra satria hatramin’izay dia ny tandrefana no mpamatsy vola. Gaga aho amin’ny fivadibadihan-kevitry ny mpitondra. Taloha tsy nisy CENI na mpamatsy fa minisiteran’ny atitany, vitantsika ny fifidianana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT