Politique

Fikaonandoham-pirenena “Tsy tokony asiana hambom-po intsony”


  • Alarobia 14 Septambra 2022

Amiko ny fikaonandoham-pirenena, hoy ny mpandraharaha sady mpandinika raharaham-pirenena, Harivola Raharinosy, rehefa mbola resaka governemanta iaraha-mitantana dia tsy misy dikany.

Ny fiainam-bahoaka mihitsy, hoy izy, no mila jerena. Raha nisy tolokevitra avy amin’ny mpanohitra ho fiarovana ny vahoaka nanomboka tamin’ny resaka solika, filàna andavan’andro, tsy fandriampahalemana dia mendrika ilay fikaonandoha. Ny resaka fifidianana aza no tokony hiompanana bebe kokoa. Eo ny resaka fangaraharaham-pifidianana, ny fanadiovana ny lisitra, ny lesoka mateti-pitranga toy ny hoe tsy mijery lisi-pifidianana raha tsy akaiky fifidianana ny vahoaka. Izao dia efa tokony entanina hijery tsara ny olona hoe mazava tsara ve ny momba azy any amin’ny fokontany? Entanina hijery ny anarany any amin’ny lisi-pifidianana izy avy eo. Efa latsaka ambany be izao ny fiainam-bahoaka. Ny mpanohitra tokony manome tolokevitra. Tsy tokony asiana hambom-po intsony hoe izao no nisy taloha dia tsy hiresaka aho. Izao dia manantena hoe tena raiamandreny no hitantana ilay fikaonandoha ary enga anie mba ho tena momba ny fiainam-bahoaka tokoa no resahana ao. Tsy misy resaka an’izay mihitsy hatreto. Korontana foana no iainan’ny vahoaka isan’andro. Tsy mandry fahalemana hatrany anaty resaka asa. Mazava izao fa samy te hitondra na ny efa eo na ny mpanohitra. Adino foana ny fiainam-bahoaka. Natao sorona sy tohatra fiakarana foana ny vahoaka. Natao hampiasaina hidina an-dalambe nefa avy eo ve nisy nijery rehefa betsaka ny maty, naratra, simba fiainana? Nampianarina hikorontana, tsy hanana fitsipika, tsy ho tia tanindrazana no tena marina amin’ilay vahoaka. Rehefa vita ny ilana azy dia averina mijaly indray aloha. Rehefa mahatsapa tsara mijaly dia miverina midina an-dalambe indray. Dia miodina tahaka izay foana ve izany ilay fiainantsika eto, hoy hatrany ny tenany ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT