Politique

Fikaonandoham-pirenena Tsy handray anjara ny Arema raha tsy avadika ho lalàna


  • Alarobia 30 Novambra 2022

Neken’ny filoha Ratsiraka tamin’ny fotoan’androny ny hanaovana fikaonandoham-pirenena, hoy ny minisitra tamin’ny fotoan’androny sady mpanao politika, ny jeneraly Tsaranazy Jean Emile.

 Fantantsika tsara, hoy izy, fa tamin’izany no nanaovana ireny Panorama ireny. Ny mampalahelo dia araraotin’ny mpanambola sasany ny fikaonandoha toy ireny mba hividianana ny fehin-kevitra andaniana volabe hivoahan’ny fehin-kevitra manakaiky na mifanandrify amin’izay tiany havoaka. Manahirana ilay izy satria ny Arema, ohatra, dia mahatsiaro voafitaka tamin’ny fikaonandoha tamin’ny andron’ny Panorama dia ohatran’ny tsy marisika intsony handray anjara amin’izany fikaonandoham-pirenena izany. Ny hevitra mitombona fa ny fanatanterahana azy mivoana amin’ny tokony hahatongavana. Ny FFKM izay mivoy azy indrindra no tokony hanao balizy. Ny Arema aloha izao dia tsy marisika ny handray anjara amin’izany satria sao dia leom-boan’anana, mivoana indray io fikaonandoham-pirenena io fa ny hevi-baventy fonosiny, indrindra, ny fifampihainoan’ny samy malagasy tsara dia tsara. Ny balizy no tokony atao mafy, indrindra moa fa ny “force exécutoire”, izany hoe izay zavatra rehetra mivoaka avy eo dia tokony hisy fampiharana. Raha tsy misy ny fampiharana dia karazan’ny fandaniana andro ny fikaonandoham-pirenena. Ny lalàna no balizy amin’ny firenena repoblikanina. Izany hoe raha tsy manana “force de loi” ny zavatra mivoaka ao dia sarotra ny fampiharana azy. Tsy maintsy avoakan’ny mpanao lalàna ho lalàna ny fehinkevitry ny fikaonandoham-pirenena dia mitombona amin’izay ny fanatanterahana azy. Raha tsy misy ilay balizy sy fanaovana ny fehin-kevitra ho lalàna dia tsy handray anjara ny Arema, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT