FIKAONANDOHAM-PIRENENA

Teny ierana avokoa ny fanapahan-kevitra rehetra.


  • Alakamisy 28 Mey 2026

Nosy ny dinik'asa momba ny

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena sy ny lanonana hanombohana ny dingan'ny Fikaonandoham-pirenena ho an'ny Fanavaozana natao teny amin'ny fiadidiana ny praiminisitra Mahazoarivo ny talata 26 mey lasa teo. Nitarika izany ny Talen'ny kabinetra sivilin'ny Praiminisitra, Ramatoa Ranaivosoa Lalaina Bertille, ny mpiara-miasa eo anivon'ny Minisitera misahana ny Fanavaozana notarihin'ny Me Hanitra Razafimanantsoa ary ny birao foiben'ny FFKM.Tanjona ny handrindrana ny fomba fiasa hampahomby ny Fikaonandoham-pirenena. Hiavaka ny Fikaonandoham-pirenena amin'ity indray mitoraka ity , araka ny fanazavana satria hiainga avy eny ifotony ny adihevitra ary teny ierana avokoa ny fanapahan-kevitra rehetra. Ny mpitarika rehetra dia tsy misy mahazo manome ny heviny manokana. Ny alarobia 3 jona 2026 ho avy izao moa no hisokatra amin'ny fomba ofisialy ny fikaonandoham-pirenena.
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT