Politique

Fikaonandoham-pirenena Raisina ao Antaninarenina rahampitso ireo volavolan-kevitra


  • Alakamisy 24 Novambra 2022

Ho tohin’ny fanambarana ny 31 oktobra 2022 tao Bel’air sy ny tao amin’ny Soimanga Manakambahiny ny 14

novambra 2022 dia ampahafantarinay amin’ny fomba ofisialy ho ren-tany sy ren-danitra fa mitsangana ny Hetsika iombonana ho an’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’I Madagasikara na H.I.F.F.I.M, hoy ireo herivelona politika niombonana nanao izany fanambarana izany tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina omaly. Hetsika hitambaran’ny herivelona maro miombon-kevitra amin’io foto-kevitra io izany, hoy izy ireo. Hiangaviana isika olompirenena rehetra tia tanindrazana mba samy hanatitra ireo volavolan-kevitra ho entina ho dinihina sy ho alalinina ary ho aravina ahafahana manavotra ny tanindrazantsika. Ny toerana hanaterana izany dia ato amin’ny hotely Le Pavé Antaninarenina ny zoma 25 novambra (TTF: rahampitso) tapany maraina. Eto koa no hampiomanana antsika vahoaka malagasy tia tanindrazana tsy an-kanavaka fa hiroso amin’ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny fanarenana sy fanorenana ifotony isika. Angatahana ny fandraisana andraikitr’ireo raiamandreny ara-panahy, ara-drazana, ireo avara-pianarana. Tsy atosi-bohon-tanana ny fitondram-panjakana am-perinasa eo anatrehan’ny adidy mavesatra ho atrehintsika mianakavy ho tombontsoa ambonin’ny firenena, hoy hatrany izy ireo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT