Nanao fanambarana omaly ny Hetsika iombonana ho an’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’I Madagasikara na HIFFIM fa noho ny fanirian’ny mpiray tanindrazana hanatanterahana fikaonandoham-pirenena itadiavam-bahaolana
anavotana ny firenena dia ho tanterahana izany ny 14 hatramin’ny 16 desambra ho avy izao eto Antananarivo izay handraisan’ny olom-pirenena tia tanindrazana rehetra manerana ny nosy anjara. Hamafisinay etoana, hoy izy ireo, ny fangatahana fandraisana andraikitr’ireo raiamandreny ara-panahy, ara-drazana sy ireo avara-pianarana ary ny herivelona rehetra misy eto amin’ny tany sy ny firenena. Tsy atosi-bohon-tanana koa ny fitondram-panjakana eo anatrehan’ny adidy mavesatra atrehintsika mianakavy ho tombontsoa ambonin’ny firenena. Heno miandalana eo ihany ny toerana. Efa fotoana ela no nanomanana azy ity ka heverinay fa tonga ity ny fotoana tsy maintsy handraisana fanapahan-kevitra ho an’ny hoavin’ny firenena. Efa mandeha izao ny fizarana ireo fanasana. Ny fehin-kevitra hivoaka ao no tena zava-dehibe. Manome toky ny vahoaka malagasy izahay fa tsy hanodinkodina ny fehin-kevitra tapaka eo fa tsy maintsy hamonjena ity firenena ity izay tapaka eo, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.