Fikaonandoham-pirenena

Hanarenana ny Firenena fa


  • Alakamisy 11 Desambra 2025

tsy fanadiovana ny mpamono olona…

Lalan-tsaina lehibe amin’ny fikaonandoham-pirenena ny fanarenana sy fanadiovana ny Firenena taorian’ny fanesorana ny mpitondra namoa-doza, Fanjakana tsy maty manota, fitantanana mamohehitra,… Tsapa sy hita ny fahavitrihan’ny herivelona samihafa eto amin’ny Firenena. Tazana nirodorodo teny amin’ny CCI Ivato ihany koa anefa ny avy amin’ny fanoherana notarihin’ingahy Milavonjy Philobert Filoha lefitra faha-7 eo anivon’ny Antenimierampirenena, ireo depiote IRMAR nahitana an-dry Augustin Andriamanoro, Haja Resampa, Sahondrarimalala Marie Michelle, Haingo Nambinina,… « Mitaky ny tsy fanilihana tanteraka izahay mba tsy ho resaka fotsiny fa aseho amin’ny fomba fiasa rehetra », hoy i Milavonjy Philobert. Nilaza ho tsy nahazo fanasana, saingy misolo tena an’i Andry Rajoelina amin’ny maha « mandataire ». Nanizingizina fa nisy fanasana amin’ny anaran’i Andry Rajoelina, ary tsy anjaran’izy ireo ny filazan’ny FFKM sy ny Mpitondra tenin’ny governemanta, fa ny fantany dia nahazo fanasana ny Filoha teo aloha mivady. Manizingizina fa ny « concertation nationale » dia tsy « feuille de route » na tondrozotra ka mba hisy ny « consensus » na eken’ny rehetra ny zavatra rehetra atao dia tsy ny Fitondram-panjakana fanavaozana ihany no hanao ny zavatra rehetra makany amin’ny fifidianana. Mitaky fiarahana mba hisian’ny fangaraharahana hoe fanavaozana tokoa sa misy fanilihana sy fanenjehana politika, hoy hatrany i Milavonjy Philobert. Milaza fa ny fanesorana ny zom-pirenena ho an-dRajoelina, dia tsy fahefana hanala zom-pirenena ny Filoha ankehitriny. Manizingizina fa tsy azo kosehina amin’ny tantaran’ny Firenena ny anaran-dRajoelina sy ny mpomba azy raha tena mitady fitoniana. Ry Volomboasary nanao ny tsy mety indray no manome lesona fa hoe : « Fanavaozana no resahina, ka mila fanavaozana ny saina fa tsy fankahalana olona miteraka fanenjehana». Mazava ho azy fa manao ny tetika sy ny fomba rehetra hijapiana ny fikaonandoham-pirenena hialokalofana sy hanadiovan-tena i Andry Rajoelina sy ny ekipany, indrindra fa mety hisy resaka fampihavanam-pirenena. Mihaino ny resaka ataon’ireo olon’ny volomboasary, dia tahaka ny hoe tsy nanao na inona na inona teto amin’ny Firenena, ry zareo tokony hipirina indray no manomboka midingin-drambo sy mibaiko, eny fa mitady fiaraha-mitantana sy fiarahana manapaka amin’ny raharaham-pirenena,… rehefa halalinina. Te hialokolako ao anaty fikaonandoham-pirenena manoloana ireo heloka bevava sy famotehana maro, ary ny afera maloto tao anatin’ny fitondrana Rajoelina. Ny mpamono olona mivantana na ankolaka indray no mametraka fepetra ?
TSY MIFAMPIDINIKA AMIN’NY MPAMONO OLONA, MILA FITSARANA VAO MISY FAMELANA !
Tonga mifanome voninahitra, fa izaho manokana tsy mifampidinika amin'ny mpitondra namono olona, nangalatra, nanampatra fahefana. Vita ny hiram-pirenena dia nivoaka ny efitrano aho. Tsy ataoko very latsaka an-tany ireny tolona, niarahana tamin'ireo tanora manerana ny Nosy, nahafaty, nandratra, nahasimba fananana olona maro ireny. Fiaraha-midinika, ekena, fa ireo nanao ny tsy mety, sazio, sambory, mamerim-bola nalaina tsy ara-drariny. « Dégage » Rajoelina, Ravatomanga sy ny forongony. », hoy i Patrick Raharimanana mpanolotsaina maharitry ny Praiminisitra. «Mahatazana ireo teo aloha, ny hahatongavan’ireo izay maro, dia misy tanjona tokana, dia ny tsy hanenjehana azy ireo amin’ny tsy nety natao », hoy i Pasitera RJL. Niantso ny Malagasy hanara-maso ny tenany satria ny fehin-kevitra dia tsy maintsy hisy endrikendrika fampihavanana satria kristianina. « Tsy tokony holalaovina amin’izany satria tsy misy « pardon » raha tsy misy « justice », izany hoe tsy misy famelana raha tsy misy ny fitsarana sy ny fahamarinana, ka mitaky fanonerana ny vahoaka fa tsy boriboriana amin’ny hoe isika kristianina ka tokony hifamela. », hoy hatrany ny tenany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT