Politique

Fikaonandoham-pirenena “Andao atao hoe atrikasa raha mametraka olana”


  • Alatsinainy 14 Novambra 2022

Mametraka hatrany ny hoe fanjakana teny ierana, manaja ny marina sy ny rariny ary ny hitsiny ny antoko politika Marina, hoy ny mpandrindra nasionaliny sady mpandinika tantara, Désiré Ranaivoson.

Ny antoko marina, hoy izy, dia mifototra amina kolontsaim-pitondrana tena malagasy hitondrana ny tany sy ny fanjakana. Voaporofo teo amin’ny tantara fa ny fanjakana manaja izany no manan-kasina amin’ny vahoaka ary afaka mitondra fampandrosoana haingana ho an’ny firenena. Raha miresaka izany isika hoe fifidianana dia heverinay fa zava-dehibe ny fanaovana teny ierana. Misy lafin-javatra vitsivitsy rehefa mikarakara fifidianana. Voalohany dia hoe vonona ve ny mpiantsehatra politika? Vonona ve ny mpikarakara fifidianana? Mazava ve ny fitsipi-dalao fa indrindra, vonona ve ny vahoaka? Ny mpikarakara fifidianana izao mampiseho fahavononana fa hanao fifidianana amin’ny taona 2023. Ny tena olana izao dia hoe inona ilay fitsipi-dalao? Miainga amin’ny teny ierana eo amin’ny malagasy izany. Hay tsianjery ilay hoe mangarahara, madio, marina, eken’ny rehetra fa ny olana dia hoe hatao sa tsia ilay izy? Mankasitraka dinika ny antoko Marina na inona mety ho anarany. Tsy maninona raha mametraka olana ny hoe fikaonandoham-pirenena dia andao hatao hoe atrikasa. Atrikasa no nanaovana fanatsarana ny lalam-pifidianana ny taona 2017. Andao ary hanao atrikasa fanatsarana ny lalam-pifidianana mba hisian’ny fifidianana eken’ny rehetra satria rehefa mipetraka ny fitsipi-dalao eken’ny rehetra dia tsy misy antony intsony hitsipahana ny voka-pifidianana. Ny antoko Marina aloha mbola tsy voahasa tamin’ny hoe atrikasan’ny CENI izany. eo am-panomanana ny kaongresy nasionaly izahay ankehitriny. Fara fahatarany io amin’ny fiandohan’ny taona hoavy satria io no fahefana fara-tampony izay sady hanavaozana ny birao nasionalin’ny antoko izay efa tapitra ny fotoam-piasany fa eo ihany koa no ahafahan’ny antoko maka ny toerana politika misy azy manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Raha manana kandida izahay dia amin’io no mety hanambarana izay na koa hoe mety hanohana olona ihany koa izahay. Eo no hamaritra ny lalan-jotran’ny antoko mandritry ny 5 taona indray, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT