Fikaonan-doham-pirenena

Miverina ho adihevitr’ireo mpisehatra politika


  • Alarobia 08 Janoary 2025

Tsy azo ihodivirana ny fifanatonan’ny herivelona rehetra eto Madagasikara manoloana izao olana misy eto amin’ny firenena izao.

Miverina ho adihevitr’ireo mpisehatra politika eto amin’ny firenena indray izany resaka izany amin’izao fotoana izao. Singa lehibe goavana tsy azo ialàna amin’izany, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika MFM na Mpitolona ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, ny faneren’ny FMI sy banky iraisampirenena mikasika ny tokony hanitsiana ny vidin-tsolika sy ny vahaolana momba ny resaka JIRAMA. Nanamafy ny maha zava-dehibe izany fikaonan-doham-pirenena izany ihany koa moa ny avy eo anivon’ny antoko politika Maeva na Madagasikara endrika vanona ary nilaza fa tsy ny mpanao politika ihany na ny mpitondra ihany fa ny sehatra rehetra mihitsy na mpitondra fivavahana io na fiarahamonim-pirenena na iza na iza dia tokony handray anjara amin’izany fikaonan-doham-pirenena izany avokoa. Etsy ankilany, raha tsiahivina rehefa miresaka izay fiarahamonim-pirenena izay ihany, dia nitaky ny handravàna ny governemanta ihany koa fanampin’izay tsy maintsy ilàna fifampidinihana izay ny teo anivon’ny KIMM na Komity iombonan’ny mpiasa malagasy. Nitaky ihany koa ireto farany ny amin’ny hanomezana toerana ny avy amin’ny fiarahamonim-pirenena izay andraikitra maha mpikamban’ny governemanta izany mba hisorohana ny ady seza, raha tsiahivina hatrany.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT