Fikambanan’ireo mpanara-maso fifidianana

“Misy fokontany tsy manana rejisitry ny mponina”


  • Alakamisy 12 Oktobra 2023

Nanao tatitra mikasika ny fanaraha-maso ny fifidianana nataon’izy teto Antananarivo renivohitra tetsy Antaninandro

omaly ny fikambanan’ireo mpanara-maso izany. Fikambanana miisa 10 izy ireo no nivondrona nanatontosa izany, hoy ny fanazavana. Misy fokontany tsy manana ny rejisitry ny mponina ao aminy ka tsy nahafahana nanatanteraka ny asa. Nisy ireo sefo fokontany nahazo baiko tamin’ny PCED na filohan’ny kaomisionim-pifidianana isaky ny distrika ka tsy azo atao hono ny fanaraha-maso na fampitoviana ny lisi-pifidianana amin’ny rejisitry ny fokontany. Nisy anarana voasoratra anaty lisitry ny mpifidy nefa tsy anaty rejisitry ny fokontany. Nisy efa maty tamin’ny volana martsa fa mbola ao anaty lisitry ny mpifidy na dia efa nisy aza ny fanamarihana momba izany. Nahatratra 54 hatramin’ny 60% eo ho eo ny tahan’ny olona nisoratra anaty tanaty lisitry ny mpifidy. Raha izao no eto an-drenivohitra dia ahoana izany ny any ambany ravinkazo any, hoy hatrany izy ireo?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT