Fikambànan’ireo lasibatry ny fitondràna Rajoelina

«Andao haverina ny rafitra fokonolona!»


  • Alarobia 15 Oktobra 2025

Be dia be ireo lasibatr’ity fitondràna Rajoelina ity,

hoy ny Fikambànan’ireo lasibatry ny fitondràna Rajoelina, omaly. Ny tsy maintsy hitenenanay sy hanaovanay antsoavo androany, hoy izy ireo, dia misy ny gadra politika izay nahazo fahafahana tamin’andriamatoa Andry Rajoelina miisa 8. Ny zava-misy nefa dia tsy ireny irery no lasibatra tamin’ny fitondràna Rajoelina fa be dia be ary mbola misy hatramin’izao ireo mitondra takaitra any am-ponja, ankoatran’ireo efa nivoaka ety ivelany. Manamafy izahay androany fa mbola tsy vita ny tolona raha tsy miala andriamatoa Andry Rajoelina. Miantso ireo naratra, ireo fianakavian’ny maty, ireo gadra politika, eny na mbola ireo sazy miantona aza. Fanaovana tsinontsinona ny malagasy ny fitenin’ny filoham-pirenena. Amin’izao toe-draharaha izao izy mbola manao propagandy ihany. Mbola zavatra an-kibon’ny omby ihany mba tsy ilazàna hoe petatoko hatramin’ny voalohany no resahany. Efa tsy filoha matoa mitsoaka. Tena vahoaka malagasy fa tsy mpiray tsikombakomba amin’ny frantsay ny CAPSAT ary torahana voninkazo manokana! Ny filoham-pirenena no olana eto satria frantsay. Izao i Emmanuel Macron mihitsy no mirotsaka manampy azy. Ahoana no inoana amin’izany hoe malagasy no mitondra ny tany? Andao haverina ny rafitra fokonolona! Rehefa hiresaka ihany dia andao hatao eo amin’ny samy malagasy izany, hoy hatrany ny antson’ity fikambanana ity!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT