Manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny dia naneho ny heviny toy ny rehetra ihany koa ny fikambanana Za’Gasy tarihan’ny filoha
nasionaliny Jean Navandahy Ratiharison ka nanambara fa manohitra marindrano ny fandatsahan-drà eto amin’ny tanin’ny firenena Malagasy ary nanitrikitrika ny tsy fandraisana andraikitra ataon’ny CFM na ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy ary dia mangataka tsotra izao ny handravana tsy misy hatak’andro an’ity rafitra ity. Tsy mahafehy ny iraka ampandraiketina azy ireo mpikambana ao amin’ity CFM ity ankehitriny izay marihana fa ny antsasa-manilan’izy ireo dia olona notendren’ny filoham-pirenena Malagasy am-perinasa avokoa. Tsy dia ankasitrahany Za’Gasy ihany koa, hoy Atoa Ratiharison Jean Navandahy, ny eritreritra hampidirana ny FFKM amin’ny fanaovana fanelanelanana amin’ny disadisa misy ankehitriny mba hanajana ny tsy fitsabahan’ny fanjakana amin’ny resaka fivavahana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.