Fikambanana VTM

“Aoka izay ny famerenana fitondrana kitoatoa!”


  • Talata 29 Aogositra 2023

Niezaka nitety distrika miisa 68 ny Vondron’ny tanora malagasy na VTM, hoy ny fanambarana nataon’izy ireo tetsy Anosizato omaly.

Voarakotra nametrahana ny ekipa, hoy izy ireo, ny distrika maro manerana an’i Madagasikara. Hisy ny fihaonambe ho tanterahana ny 8 sy 9 septambra izao izay hiakaran’ireo tanora mpikambana rehetra manerana ny nosy eto Antananarivo. Tsy takona afenina ny toe-draharaham-pirenena. Misy afera tsy mety tafapoitra ny tena marina aminy nefa henontsika matetika. Voatery handray andraikitra hampandany kandida ny VTM. Hiara-dia amin’ny kandida mifanaraka amin’ny foto-kevitra ijoroanay izahay. Hanohana kandida ary hanao ny ezaka manontolo hampandany izany kandida izany izahay! Tsy tia ny hiverenan’ny tranga anatin’ny fitantanan-draharaha ankehitriny intsony izahay. Teboka miisa 13 no heno tamin’ny fampielezan-kevitra saingy eto Anosizato izao hatreto tsy mbola misy izany tetezana miantona na lalana maro zotra, izany hoe “flyover” izany. Mbola tsy afaka ny fitohanana. Ilay volamena tanaty kaofra nosoloina vy, hatreto mbola tsy fantatra hoe aiza na ahoana ny mahakasika azy? Ny volamena hafa tratra tany ivelany koa toy izany. Tsy te hiverenan’ny kitoatoa toy izany intsony izahay. Tsy mahay mametraka laharam-pahamehana ny fitondrana ankehitriny fa fisehosehoana no maha maika azy. Mampikaikaika ny fampidirana mpianatra nefa teleferika no maha maika azy. Vola tokony hanampiana ny ray aman-dreny alefa any. Vola tokony hanarenana ny JIRAMA koa toy izany. Mijaly ny tanora manangana orinasa. Tsy te hiverina amin’ny kitoatoa hitantanana firenena intsony izahay, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT