FIKAMBANANA VAVEA ANTANANARIVO

Tafatsangana, vonona hampandroso ny firenena


  • Alatsinainy 11 Martsa 2024

Vonona handray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana ny

firenena ny fikambanana VAVEA na ny Vahatse Ty Vezo Araho sampana Antananarivo, tarihin’ny filohany Atoa Zipa Jean Hubert. Nivoitra izany tamin’ny Sabotsy teo nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Mon gouter Anosy ka anisan’ny tanjon’izy ireo ny hanampy ireo mpikambana vezo eo Antananarivo na manana olana na tsia arahin’ny fijerena ireo karazana paikady hampiroboroboana ny faritra misy azy mba hampandrosoana ny firenena. Tafiditra ao anatin’izany ny fijerena ilay toe-karena manga. Notsiahivin’izy ireo mantsy fa saika monina amin’ny sisin-dranomasina avokoa ny foko Vezo. Ny fanjonoana ny trondron-dranomasina no tena foto-pivelomany noho izany izay mbola azo trandrahana tsara. Toraka izany koa ny fitrandrahana ny algue izay nambaran’izy ireo fa azo hatao fanafody no sady azo hatao sakafo tsara nefa tsy voajery ihany koa. Miantso ny fanjakana mba hifanohana aminy araka izany ny fikambanana izay marihina fa tsy manao politika saingy vonona hanome tanana amin’ny fampandrosoana ny firenena kosa. Ny 30 Septambra lasa teo moa raha tsiahivina no tafatsangana ny birao vaovao hitantana ny fikambanana.
Pati
Legende : Ireo mpikambana eo anivon’ny birao vaovao mandrafitra ny VAVEA sampana Antananarivo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT