Fikambanana Toko Bey Telo

«Helohina ny fihantsiana adim-poko»


  • Talata 24 Desambra 2024

Mankasitraka ny fiaraha-miasa amin’ny governoran’ny faritra Atsimo Andrefana,

Dr Tovondrainy Ranoelson Edally, izay governora am-perinasa amin’izao fotoana izao ny fikambanana Toko Bey Telo, hoy ny fampitam-baovaon’ity fikambanana ity omaly. Ny Toko Bey Telo dia manameloka an’ireo olona miteny amin’ny anarany nefa tsy nahazo alàlana avy amin’ny foiben’ity fikambanana ity ary nanamafy fa tsy avy amin’izy ireo ny filazàna ao amin’ny tambazotran-tserasera Facebook izay manohitohina ny mpitondra aty amin’ny faritra, hoy ny fanazavàna. Helohin’ity fikambanana ity ihany koa ny fiantsiana adim-poko ataon’ireo olona sasany ao amin’ity tambazotran-tserasera ity. Mpampihavana ny fikambanana ka miray fo ho an’izay rehetra hampandroso sy hahasoa an’i Toliara. Miantso ny rehetra mba ho tony ity fikambanan-drazana Tevondrone, Temilahehe ary Temitongoa izay nanao fivoriambe omaly maraina teny amin'ny foibe toerany, Andabizy, Toliara, izay notarihin'ny filohany, Manimbilaza Lucien na Robuste sy ny sekretera jeneraly, Edmond, ity, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT