Politique

Fikambanana Rantsana Dimy « Hisy zavatra hiseho eto afaka iray volana… »


  • Alarobia 07 Jona 2023

Nampita hafatra ho an’ny Mpitondra Fanjakana eto Madagasikara ny Fikambanana Rantsana fa nofidiana

hanaingana ny fifohazam-panahy maneran-tany I Madagasikara hamoriana ny ampakarina voasoratra ao amin’ny Bokin’ny fiainana, ary amin’izao Repoblika fahaefatra na Fanjakana Fahaefatra izao no hanaovana izany. Hiainga eto Madagasikara ny famonjena, eto ny harena afaka hiainan’izao tontolo izao, ary tena hisy ny fisandratana na “Emergence” izay tsy amin’ny herin’ny olombelona sy ny vola, fa tànana mitsotra avy amin’ny Ray Tsitoha Mpahary ny Lanitra sy ny Tany, nampitainy tamin’ny alalan’ny Mpaminany Vatofanekena, raha ny voalazan’ny Fikambanana Rantsana Dimy. Milaza izy ireo fa ny nimasoan’izay nitondra hatrizay ka nahamaika sy nahadodona azy dia ny hitady fanampiana ara-bola etsy kanefa hatramin’izao mba mankaiza ny firenena? Nisy anefa ny hafatra voalaza fa avy amin’ny Ray Tsitoha hoe : « Koa aza mitoky amin’ny fahaizanareo na ny herinareo na ny soavalinareo. Fa efa fantatrareo ihany fa Satana sy Losifera no ao ambadiky ny mpamatsy vola sy ny mpanohana izay mpiara-miombon’antoka ireharehanareo mpitondra sy mpanohitra ireo”. Efa nilazana izany ny Filoha Rajaonarimampianina sy ny Filoha Rajoelina, raha ny fanamarihana. Amin’ity kosa dia ny tànana avy any ambony mahavita ny zavatra rehetra afaka handamina ny zava-drehetra toy ny olana ara-tsosialy sy toekarena no hiditra an-tsehatra, raha ny voalazan’io Fikambanana io. Efa voalaza fa any am-parany dia hisy andro sarotra, andro mahaory, loza,… ka efa tonga ny teniny mampitandrina sy mampiomana hoe: mila ny valinteninareo mpitondra mba handray ireo iraka amin’ny alalan’ny Rantsana Dimy sy ny kintan’I Davida hitondra ny hafatra mba hanandratana ity firenena ity mba hamonjena ny Malagasy, hoy io Fikambanana io. Milaza mihitsy izy ireo, tsy maintsy hisy zavatra hiseho eto na hanaiky ny mpitondra na tsia rehefa tapitra 60 andro nanomboka ny 8 may 2023 nisian’ny hafatra lehibe voalaza fa avy amin’ny Ray Tsitoha hoe : « Koa manome fotoana anareo 2 volana na 60 andro. Raha tsy hanapa-kevitra ianareo dia hahita Ahy, ka izaho indray no hanapa-kevitra ny aminareo satria tsy vao izao Aho no nilaza taminareo sy nampitondra hafatra ho anareo, fa tsy mety mihaino ianareo, eny na ny mpitondra teo alohanareo aza dia niavonavona ihany koa ». Efa dila izay ny iray volana, ka afaka iray volana eo izany io ! Nanamafy ny Rantsana Dimy fa arakaraka ny ataon’ny zanak’olombelona mandray an’iny no efa nomanin’ny Tsitoha, efa nampiomana izy, teny efa nilatsaka tahaka ny tamin’ny Andron’I Noah hoe: rehefa tapitra ny 120 taona dia hisy safo-drano,...
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT