Politique

Fikambanana miaro ny zon’olombelona Manara-maso ny fahafaha-manohitra


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2019

Tonga nanotrona ny fivoriamben’ny mpanohitra tetsy amin’ny Carlton Anosy ny sabotsy teo ny filohan’ny fikambanana zon’olombelona mampandroso vahoaka sy zon’olombelona mijoro sady mpisehatra iraisampirenena momba izany, Chandoutis Raoera.

 

Tsy mpanohitra fanjakana izahay akory, hoy ny tenany, fa amin’ny maha mpanara-maso dia tonga teto. Mazava tsinona ny fanambarana iraisampirenena momba ny zon’olombelona izay milaza fa manana zo haneho hevitra sy hivory an-kalalahana ny rehetra. Ny lalana 2011/013 dia mametraka andininy sy fehin-teny maromaro mikasika ny fitantanam-pirenena ary ao anatiny ny fanoherana.Tsara noho izany, hoy izy, ny mifampihaino sy mifanome hevitra ary toromarika fa tsy mifanongana. Mandinika sy mihaino ary manitsy izahay. 31 fehezanteny ny fanambarana iraisampirenena momba ny zon’olombelona manambara ny fahafahan’ny tsirairay ary nosoniavintsika izany, hoy hatrany ity mpisehatra amin’ny fikambanana miaro ny zon’olombelona ity, ka aoka samy hijery ny tombontsoan’ny vahoaka na ny mpitondra na ny mpanohitra.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT