Politique

Fikambanana leo fahantrana « Izay tohananay dia lany, izay ahonganay dia miongana »


  • Alatsinainy 13 Febroary 2023

Sorena ny filohan’ny fikambanana leo fahantrana na ny FILEFA tarihin-dRazafindrakoto Jacquie manoloana ny zava-misy ankehitriny.

Raha araka ny fanazavany mantsy dia toa tsy mety hitan’ny filoha ankehitriny mihitsy ny tenany na dia efa nanohana sy teo foana aza nanomboka tamin’ny taona 2009 nisian’ny fitifiran’olona teny Ambohitsirohitra. Efa nigadra noho ny fitiavana ny filoha ny tenako hoy ny filoha FILEFA saingy tsy mety tazany mihitsy. Misy mihitsy aza hoy ny feo mandeha rehefa mba mangataka fihaonana amin’ny filoha dia tsy maintsy mandoa vola an-tapitrisany, hono, ny FILEFA vao afaka mihaona aminy. Tsy hangataka na hitady toerana anefa ny tenako hoy Razafindrakoto Jacquie fa mba te-hiresaka an’ny filoha mikasika ny fahantran’ny vahoaka Malagasy ankehitriny ary hanome vahaolana. Aminy mantsy dia ny fanofana trano no tena fototry ny fahantran’ny ankamaroan’ny Malagasy ankehitriny. Efa kely ny karama raisina nefa mbola tsy maintsy mandoa hofan-tranon’olona 100.000 Ar isam-bolana ihany raha kely miampy ny saram-pianaran’ny mpianatra sy hofan-jiro ary ny hanina hohanina. Mahatratra 59 tapitrisa ha ny refin’ny tany eto Madagasikara hoy hatrany izy. Vao 27 tapitrisa anefa ny isantsika Malagasy noho izany tokony hahazo tany 1 ha isan’olona hoy ny filohan’ny FILEFA na dia ireo zaza vao torotoronina any am-bohoka aza. Nanambara araka izany ny filohan’ny FILEFA fa tsy fikambanana 3 monja araka ny resaka mandeha no manampy ny filoha fa betsaka saingy tsy hitany. Ho azy ireo manokana dia miisa 20.000 ireo mpikambana mavitrika eto Antananarivo renivohitra raha mahatratra 6 hetsy manerana ny Nosy. Afaka mampandresy kandida iray araka izany izy ireo rehefa manohana ary afaka manongana ihany koa raha ilaina izany hoy ny fanazavany.
Pati
Legende : Jacquie Razafindrakoto, filohan’ny FILEFA nitafa tamin’ny vahoaka teny Antohomadinika
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT