Fikambanana Laka

«Betsaka ny namana afaka hitondra fampandrosoana haingana!»


  • Alatsinainy 24 Febroary 2025

Nanao fanambaràna tetsy 67ha ny fikambanana Laka ny sabotsy teo fa noho ny soa iombonana

ho an’ny firenena malagasy eto anatrehan’ny tany sy ny fanjakàna ary ny vahoaka dia hirotsaka ho filoham-pirenena ny filohan’ity fikambanana ity, Ravoninjaka, ny taona 2028. Vonon-kanampy ny fitondràm-panjakàna am-perinasa kosa nefa izy ireo manoloana ny fahasahiranana mianjady amin’ny firenena ankehitriny, hoy ity filohan’ny Laka ity, ary raisina izany adidy izany ho an’ny tanindrazana. Madagasikara tsy maintsy mandroso amin’ny lafiny rehetra ka ny Laka ho an’ny malagasy ary malagasy ho an’ny laka. Ho an’ny soa iombonana ho an’ny firenena no nandraisana ho adidy ny fanaovana izao fanambaràna izao. Miezaka ny fitondràna fa ny manao zavatra tsy mora. Izy moa no eo aloha dia manohana izahay. Afaka hanampy azy amin’ny lafiny rehetra izahay. Efa manana sosokevitra sy tetikasa azo atolotra izahay ary efa nisy ny fihaonana tamina tomponandraiki-panjakàna samihafa. Pi-maso no ataonay! Tsy hiditra anaty governemanta izahay fa afaka manampy ary betsaka ny namana afaka hitondra fampandrosoana haingana sy maharitra ho an’i Madagasikara! Tahaka ny tafika andrefan-tanàna, mibaribary ny fahasahiranan’ny malagasy. Miantso ny malagasy tsy hifampihantsy. Tsy misy manana tombontsoa ny amin’ny hisian’ny disadisa eto. Izay hahatongavana amin’ny fifidianana 2028 no antony hanampiana ny fitondràna. Hifaninana amin’ny fitondràna izahay amin’izay fa tsy hoe ho fahavalo politikany akory, hoy hatrany ny Laka.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT