Politique

Fikambanana IRIS feno 5 taona Manamafy ny asa hampivoatra ny fiarahamonina


  • Alatsinainy 31 Jolay 2023

Nitohy tetsy amin’ny ANS Ampefiloha omaly alahady ny fanamarihana ny faha 5 taonan’ny fikambanana IRIS, izay tarihin’ny filohany Aurelia Mailhol.

Nisy ny seminera natokana ho an’ny vehivavy eo amin’ny lafin’ny fitantanana, fampianarana ihany koa ny lafiny fiarahamonina, indrindra, ny fomba atao hahombiazana manoloana ny sarotra ao anatin’izao fiainana manahirana izao. Nanamarika ny fandraisana anjara amin’izay seminera omaly alahady izay hatrany ho an’ny tapany hariva kosa, ny Jeneraly Désiré Ramakavelo, akademisianina sady mpandalina tantara, izay nampianatra momba ny anjara toeran’ny fanabeazana anaty fiarahamonina. Niaraha-niasa tamin’ny fikambanana Fandresena vao maraina, izay nanamarika ny faha 10 taona nijoroany ihany koa ity hetsika ity. Misehatra amin’ny asa sosialy moa ny IRIS ka nialohan’izao dia nisy ny fambolen-kazo natao teny amin’iny faritra Ambanintsena iny nanokafana izao 5 taona izao, ankoatran’ny fanolorana fanomezana ho an’ny sahirana, fanampiana ireo hopitaly, fanarenana ireo tratry ny hetraketra-pianana sy ireo mety mila torohevitra hanarenana ny moraliny avy. Mbola misy hetsika hafa hampahafantarina amin’ny fotoana manaraka, mazava ho azy, hanohizana izao fankalazana izao, hoy hatrany ny fanazavana sy fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT