Malalaka amin’ny akanjo tiany hanaovana ny olona rehetra ary malalaka koa amin’ny firehana tiany, hoy ny Fikambanan’ny mpitolona miaraka amin’i Andry Rajoelina na FIMAR.
Tsy ana antoko politika ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Tarzan Ndremitsara, ny loko volomboasary. Efa tsy fotoanan’ny fankahalana be fahatany intsony izao hoe ny filoham-pirenena no tsy tianao dia hatramin’ny loko volomboasary koa hankahalainao. Efa taonjato faha 21 isika. Hevitra no miady amin’ny politika fa tsy olona. Taorian’iny moa nisy ilay horonam-peo niparitaka hoe antso nifanaovan’ny filoham-pirenena tamina tomponandraikitra iray hoe nanomezany baiko hitadiavana olona hanao fiaikena na “aveu” fa nirahana hanao ireny tranga ireny. Saropady izany resakana filoham-pirenena izany. Tsy tokony hivoaka. Efa nisy fandikan-dalàna izany aloha tao. Faharoa, mbola misy finiavana hanakorontana toy ny tamin’ilay resaka akanjo teo ihany izany tao. Tokony hisokatra ny fanadihadiana dia mandray ny andraikiny ny fitondram-panjakana. Tokony ho isan’ny tsiambaratelom-panjakana izany resaka ifanaovana amin’ny filoham-pirenena izany. Ao anatin’ny fiandrianam-pirenena izany. Matoa niparitaka izany dia nisy olona nanaparitaka azy tao an-tenatenany tao. Inona no tanjony? Tsy fotoanan’ny fanakorontanana intsony izao. Efa anaty fotoana fanatanterahana fifidianana isika. Ohatrany mahagaga ilay fifandrifian-javatra hoe akaiky ny fifidianana dia mivoaka ireny zavatra ireny na misy olona manao akanjo volomboasary dia niharan’ny herisetra. Tsy maintsy fifidianana no lalana hivoahantsika amin’ny krizy. Iaraha-mahalala fa misy krizy eto ary miverimberina na “cyclique”. Mila sorohana, noho izany, hoy hatrany ny FIMAR, ny fanonganam-panjakana ary izay no zava-dehibe.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny FIMAR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.