Fikambanana « FHM »

Mijoro hampivondrona sy hitondra fampandrosoana


  • Talata 22 Aprily 2025

Ny volana novambra 2024 no nijoro ara-panjakana ny Fikambanan’ny Hebreo eto Madagasikara na

FHM » Antom-pisiany ny hamondrona ho iray ireo Gasy Hebreo eto Madagasikara mba ho fanatanterahana izay voarakitry ny « Torah » Ity farany izay azo lazaina fa sata fototra ijoroan’ireo mpino Hebreo maneran-tany. Anisan’ny mason-tsivana hahafahan’ireo liana amin’ny foto-kevitra ijoroan’ny « FHM », araka izany, ny fanarahana amin’ny antsipiriany izay rehetra anatin’ny « Torah » mba hampitovy ho iray ny fotom-pinoana. Nomarihan’ny filoha nasionalin’ny « FHM » Razafiarinaivo Célestin Victor na « Zoky mpandresy » fa manodidina ny telopolo ireo vondrona mandala ny foto-pinoana Hebreo no efa ao anatin’ny « FHM » manerana ny Nosy. Ankoatry ny fanambarana ho iray ny gasy Hebreo eto Madagasikara dia hisehatra amin’ny lafiny fampandrosoana ny firenena toy ny fampianarana, fitsaboana, asa famokarana toy ny fambolena sy fiompiana ihany koa ny « FHM » Nohamafisin’ny filoha lefitry ny « FHM » Ranarivelo Joachim ihany koa fa tsy manao politika ny Fikambanan’ny Hebreo eto Madagasikara nefa misokatra ho an’ireo mpisehatra politika vonona hifanome tanana ho fanatrarana ireo tanjona nosoritan’ny « FHM » sy hanaraka izay voarakitry ny « Torah » Ny Sekretera jeneralin’ny Fikambanan’ny Hebreo eto Madagasikara « FHM » Shalar Andriamady Rija no nanantitra nandritra ny fandraisam-pitenena nataony , fa mila mitandrina fatratra isika amin’ny fanaovana « telimoka » ireo kolontsaina vahiny iniana abosesika eto Madagasikara ankehitriny mba tsy ho zary lasa tantara sisa ny fisian’ny « Gasy » masi-mandidy eto amin’ny Taniny. Ahiana, hoy hatrany izy ny halevona tanteraka ireo kolontsaiana mirakitra soatoavina sy fahaiza-miaina nentin’ireo Ntaolo razantsika nandrindrana ny fiarahamonina. Singanina amin’ireny ny hasin’ny fihavanana, firasankina, sns. Vokany, hahazo vahana ny fitsitokotokoana mitarika ho any amin’ny fahantrana lalim-paka sarotra ialanaizay ahiana hipaka hatrany amin’ny endrim-panjanahana vaovao. Andalana ho amin’ny fikarakarana ny fihaonam-be ho fifampiarahabana nahatratra ny taona ankehitriny ny « FHM » izay hotanterahana, etsy Ikianja Ambohimangakely tsy ho ela.
Jean D.
Légende : Ireo Mpikambana mandrafitra ny biraon’ny « FHM »
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT