Naneho ny heviny mikasika ny governemanta tokony hitsangana eto amin’ny firenena Atoa Ramamonjisoa Fulgence, filohan’ny fikambanana mpanao asa soa ASTAFIM omaly.
Nambarany fa matoa mbola naverina amin’ny toerany ny praiminisitra Ntsay Christian dia mety mbola misy adidy tsy vitany ary tokony hotohizany hahafahana mampandroso ny firenena. Mba hahafahana tena mandroso sy mamaly ny hetahetan’ny tsirairay anefa, hoy izy dia tokony ho governemantan’ny fampihavanam-pirenena no hatsangana eo ho tombontsoan’ny rehetra. Ilaina izany hahafahan’ny rehetra maneho ny fitiavan-tanindrazana. Ho an’ny ASTAFIM manokana, vao mainka hivelatra be ny asa sosialy hiantsorohan’izy ireo entina hanampiana ny tanora eto an-drenivohitra sy ny manodidina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.