Politique

Fikambanana Alluma “Tsy maintsy miezaka amin’ny sosialy lafiny ny fitondrana”


  • Talata 29 Novambra 2022

Mahita ny fikambanana Alluma na “Association lumière de lune de Madagascar” fa misy ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana hampandrosoana ny firenena, hoy ny filohany, Ali Peter.

Ao anatin’izany ny fanamboarana lalana, sekoly, CSB II, ny fijerena ny mponina any amin’ny faritra ianjadian’ny kere, fijerena ny mponina any amin’ny faritra tsy misy rano, hoy izy. Azo tsapain-tanana izany ezaka izany fa misy kosa ezaka tokony hifantoka bebe kokoa amin’ny lafiny sosialy mba hilaminan’ny fiainam-bahoaka. Na teo aza ny valanaretina dia vita ihany ilay voatanisa teo saingy iny valan’aretina iny no tena nanakantsakana be fampandrosoana ny sosialim-bahoaka. Tsy maintsy miezaka ny fitondrana amin’iny lafiny mba hipaka bebe kokoa amin’ny fiainam-bahoaka ilay fampandrosoana. Sarotra ny ahafahan’izany delestazy izany raha tsy ny fanamboarana ireo milina sy fidirantsika amin’ny fampiasana angovo avy amin’ny herin’ny masoandro no imasoana. Mila mametraka angovo azo avaozina isika. Manomboka midina ifotony, ivelan’ny faritra, mitety distrika izao ny Alluma hametraka ny rantsa-mangaikany. Tanjona ny hitondra fahazavana ho an’ny firenena ary hitombo amin’io taona ho avy io ny fiaraha-miasanay amin’ny minisitera hampitomboana ny isan’ny ankizy miditra an-tsekoly, hoy hatrany ny Alluma.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny Alluma
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT