Politique

Fikambanana ADS «Fotoana tokony hanasarahana an’Anosimasina sy Ampasika izao»


  • Alatsinainy 12 Jona 2023

Taom-pifidianana ny taona 2023 raha ny tenin’ny fitondram-panjakana, hoy ny fikambanana ADS na «Abattoir dynamique solidarité». Miandrandra izany fifidianana izany daholo ny vahoaka malagasy,

hoy ny filohan’izy ireo, Lova Andrianjaka. Heno foana ny hoe mandeha ny fanisana mpifidy sy ny karazany. Misy fokontany nefa tsy mifanaraka amin’ny isan’ny mponina ao aminy ny maha fokontany azy. Efa nanaovako fangatahana tamin’ny alalan’ny haino aman-jery isan-karazany ny amin’ny tokony hanasarahana ny fokontanin’Anosimasina sy Ampasika ato amin’ny kaominin’i Bemasoandro, distrikan’Atsimondrano. Mbola tsy nisy valiny izy io hatreto. Izany no anton’ny tsy fandriampahalemana eto na ny korontana matetika eto Ampasika raha vao ety amin’ny vavahadin’Itaosy. Tonga teto ny filoham-pirenena ny 2019. Hitany fa be loatra ny vahoaka eto. Efa teto ny sekreteran’ny atitany. Fotoana tokony hisarahan’ireo fokontany miisa 2 ireo izao. Efa tafahoatra ilay fetr’isa. Hanaraha-maso ny fandraisan’anjaran’ny tsirairay amin’ny fifidianana, ny fahandriampahalemana izany. Efa manodidina ny 45.000 no isan’ny olona eto Ampasika. Tsy lojika intsony raha mbola fokontany hitambatra amin’Anosimasina izany. Anosimasina efa manana faritra miisa 4. Mangataka ny ao amin’ny minisiteran’ny atitany mba hanafaingana an’izao satria raha vao misy zava-miseho eto dia ny hetahetan’ny olona dia ny hivoaka eo amin’ny tetezana hanao barazy. Manararaotra kely manoloana ity kamiao nanimba ny fantson-drano eto ity. Ataon’ny sinoa tsinontsinona mihitsy eto ka raha tsy mahita vahaolana aingana amin’io izao ny fokontany sy kaominina dia mety zavatra hafa no hiseho eto isaky ny miditra eto io kamiao io, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Legende : Ny filohan’ny ADS
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT