Politique

Fikambanan’ny Gadra politika Manery ny hamoahana ireo mbola any am-ponja


  • Alakamisy 10 Novambra 2011

“Nosamborina daholo izahay, avy eo vao nanamboarana taratasy hanamelohana anay (…). Tsy nisy akory ny didim-pitsarana fa mody nomena fahafahana vonjimaika hanerena anay hangina.

Nisy taminay no tratry ny vono sy ny ratra, tsy fanajana ny zon’olombelona izany”. Santionany amin’ny fijoroana vavolombelona niainan’ireo gadra politika efa tafavoaka ny fonja ireo. An-jatony izy ireo no niditra am-ponja, voakasik’izany na sivily na miaramila, na mpanao politika, eny hatramin’ny mpitondra fivavahana sy mpanao gazety koa aza. Voalaza fa tato anatin’ny telo taona farany no be indrindra ny gadra politika teto amin’ny tantaran’ity firenena ity. Mbola misy 57 no tavela any am-ponja, ka miaramila ny 39 amin’izy ireo. Ho an’ny pastera FJKM, Rafanonerantsoa Valisoa, dia “mila mifona imasom-bahoaka sy eo anatrehan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ireo olona milaza azy ho mpitondra, avy eo izy mamoaka ireo gadra mbola tavela any. Manomboka eo vao hatomboka ny fampihavanam-pirenena mialoha ny fananganana ireo rafitra isan-tsokajiny”.

Voasokajy ho anisan’ny gadra politika ihany koa ireo sesitany, raha ny fanazavana. “Tsy fitakiana fa fanerena no ataonay”, hoy kosa i Zafilahy Stanilas. Fahefan’ny praiminisitra rahateo ny famoahana ireo gadra politika ireo, araka ny fanazavana hatrany. Tamin’ny taona 2009, hoy ny mpisolovava Noro Rabemananjara dia tsy nisy ny fifanarahana politika kanefa dia navoaka ireo voalaza fa nogadraina noho ny antony politika, raha vao nandrombaka fahefana ny FAT. Tamin’ity anefa, efa teo anatrehan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, tsy mbola nisy fihetsika na dia kely akory aza. Mazava ny resaka, hoy i Guy Maxime Ralaiseheno fa raha tsy ampiharina ny sori-dalana dia tsy misy tokony haha filohan’ny tetezamita an’i Andry Rajoelina na haha praiminisitra an’i Jean Omer Beriziky. Mahamaika ireo gadra politika sivily sy miaramila efa tafavoaka moa ny famoahana tsy misy hatak’andro ireo gadra politika tsy ankanavaka mialoha ny hitsanganan’ny governemanta, eo koa ny fampodiana an-tanindrazana tsy misy fepetra ato anatin’ny fotoana fohy ireo sesitany politika any ivelany, anisan’ireo ny filoha Ravalomanana sy ny amiraly Ratsiraka ary eo koa ny fanokafana ireo haino aman-jery nakaton’ny FAT.

Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT