Politique

Fikambanan’ireo gadra politika Mitaky ny hananganana haingana ny CRM


  • Alarobia 23 Desambra 2015

Tena nampisamatsamaka sy nampizarazara ny fiarahamonina malagasy mihitsy ireny fampiasan-kery nifanesisesy nangalana fahefana teto amintsika ireny, hoy ry zareo ao amin’ny FEDEP ivondronan’ireo gadra politika niresaka tamin’ny mpanao gazety.


 Mba hisian’ny fitoniana marina sy maharitra eto amn’ity nosy ity ary dia mangataka ny FEDEP ny hananganana tsy misy hatak’andro ny CRM na ny Komitin’ny Fampihavanam-pirenena araka ny voalaza ao amin’ny tondrozotra nifanarahana sady efa hifarana amin’ny volana martsa ho avy ny fe-potoam-piasan’ny FFM na ny Filankevitry ny Fampihavanana. Manamafy ny tokony haha mpikambana feno azy ao anatin’io CRM io ihany koa ny FEDEP. Antoky ny fitsaharan’ny eritreritra fanozongozonana ny fitondram-panjakana miseholany lava ankehitriny, hoy izy ireo, ny fametrahana amin’ny toerana an’io CRM.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT