Politique

Fikambanamben’ny sendika sy ny mpiasam-panjakana Tsy mila fifidianana raha tsy voalamina ny lalàna rehetra


  • Alakamisy 26 Aprily 2018

Nivoaka tamin’ny fahanginany ihany koa omaly ny fikambanamben’ny sendika sy ny mpiasam-panjakana Malagasy na ny CSAEM manoloana ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny.

  Nambaran’ny filoha nasionalin’izy ireo Atoa Rakotondrainibe Simon Richard fa matoa tafiditra anaty fahapotehana sy fahalovana tahaka izao ny firenena dia nisy ny  fanilihana  olona, anisan’ireny ny sendikalista. Izahay  anefa manana adidy amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena koa fa tsy mijanona fotsiny eo amin’ny asa. Noho izany, tokony hitondra firenena ihany koa. Vahaolana aroson’izy ireo ny tokony hamondronan’ny Raiamandreny FFKM  ny mpanao politika rehetra, ny raiamandreny ara-drazana ary ny mpitondra fanjakana mba hiara-kitady vahaolana. Ilaina ny fanarenana ifotony sy ny famerenan-kasina ny firenena izay tsy ampy teto amintsika hatramin’izay, hoy ny CSAEM. Nomarihin’izy ireo ihany koa fa tsy tokony hasiana fifidianana eto amin’ny tany sy ny firenena raha tsy voalamina ny lalàna rehetra hisorohana ny adilahy politika. Tsiahivina fa anisan’ny nandray anjara tamin’izao hetsika izao ireo tompon’andraikitra avy eo anivon’ny orinasa afaka haba izay mitaky ihany koa ny hanokafana ny orinasa afaka haba efa nikatona rehetra hahafahana miady amin’ny tsy fananan’asa.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT