Fihodinana faharoa

> Tsy miova ny laharan’ireo kandida


  • Talata 19 Novambra 2013

Tsy hisy fiovana intsony ny laharana hampiasain’ireo kandida roa hiatrika ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena, raha araka ny nambaran’ny CENI-T. Koa dia laharana faha-3 izany Atoa Rajaonarimampianina Hery ary laharana faha-33 ny Dr Robinson Jean Louis.

Tsy hisy intsony ny fanavaozana ny lisi-pifidianana saingy mety hisy kosa ny lisitra tovana, araka izay didy avoakan’ny fitsarana, raha toa ka nisy ny mpifidy tsy voasoratra anarana tao anatin’ny lisi-pifidianana nametraka fitarainana teny amin’ny fitsarana. Araka ny fanazavan-dRamatoa Atallah Béatrice filohan’ny CENI-T ihany koa dia efa any Afrika Atsimo ankehitriny ny teknisianina sy tompon’andraikitry ny CENI-T hikarakara ny fanotana ny bileta tokana ampiasaina amin’ny fifidianana solombavambahoaka. Tsy maintsy miandry ny didim-pitsarana avoakan’ny CES ny zoma ho avy izao kosa vao atomboka ny fanotana ny bileta tokana ho amin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa. Tsy misy ny tokony hahiana na hatahorana, hoy ny CENI-T satria tsy maintsy ho vita ara-potoana ny bileta tokana ary efa misy ny paikady hitaterana azy ireo any amin’ireo faritra tena saro-dalana. Tsy maintsy efa tonga eto Madagasikara farafahatarany ny 5 desambra ho avy izao ny bileta tokana rehetra ampiasaina amin’ny 20 desambra. 15 andro izany no hanaparitahana azy ireo manerana ny nosy. Nanao karazana jery todika sy tomban’ezaka momba ny fifidianana notanterahana tamin’ny 25 oktobra lasa teo niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy moa ny CENI-T omaly, izany no natao dia mba hahafahana misoroka ny olana sy mandroso vahaolana haingana amin’ny fifidianana atrehana manaraka afaka iray volana.

 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT