Nihaona tamin'ny solontenan'ireo kandida roa hiatrika ny fihodinana faharoa teny amin'ny foiben'ny CENI-T teny Alarobia omaly tolakandro ny filohan'ity rafitra manokana mikarakara ny fifidianana Rtoa Atallah Beatrice.
Rehefa niresaka sy ny nifampidinika ny telo tonta dia nifanaraka fa samy mitazona ny laharana nentiny tamin'ny fihodinana voalohany ny kandida mirahalahy. Izany hoe laharana faha-3 Atoa Hery Rajaonarimampianina ary laharana faha-33 kosa ny Dr Jean Louis Robinson. Ireo laharana ireo ihany izany no hoentin'izy mirahalahy manao fampielezan-kevitra sy ho hita ao amin'ny bileta tokana miaraka amin'ny sary famantarana azy mirahalahy avy. Tsy hoe zava-baovao vao noforonina moa ity fifandaminana ity fa efa voalazan'ny andininy faha-23 ao amin'ny lalàna mifehy ny fifidianana, izay manambara fa raha toa ka misy ny fihodinana faharoa amin'ny fifidianana ny filoha voalohan'ny Repoblika fahefatra dia manankery hatrany ny fisarahina nizara ny laharana, ka mitazona izay laharana efa azony ireo kandida roa nahazo ny isam-bato be indrindra. Inoana fa hanamora ny fampielezan-kevitry ny kandida roa tonta izao fepetra izao no sady hanamora ihany koa ny safidin'ny olom-pirenena tsirairay avy rehefa miditra ao anatin'ny trano fisainana izy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.