Politique

Fihobiana ny filohan’ny FAT mivady Nampizarana vola hatramin’ny Polisy


  • Zoma 30 Septambra 2011


 Nahoraka an-gazety sy tamin’ny haino amanjery teto an-drenivohitra ny fizarana vola 2000 ka hatramin’ny 10.000Ar isan’olona, hanambatambazana ny olona mba hitsena sy hihoby ny filohan’ny FAT mivady amin’ny fiverenany an-tanindrazana omaly rehefa avy nikabary teo anoloan’ny Firenena Mikambana nandritra ny fivoriambe faha-66. Mizara na nampizarana vola avokoa na mpiasam-panjakana, tompon’andraikitra amina Fokontany, Kaominina, boriborintany. Fa ity teny amin’ny sampanana Ambohitrimanjaka, misy fivarotana asa tanana ity no nahatsikaiky. Polisy no nanome vola, 7 alina ariary be izao, ireo olona sendra nivorivory teo, mba hanofahofa tanana amin’ny fotoana andalovan’ny kôrtezy mitondra ny filohan’ny FAT mivady.

 

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT