Fiheverana izay hampandrosoana ny firenena

Takon’ny fiarovan-tseza tanteraka


  • Alakamisy 16 Janoary 2025

Azo lazaina ho takon’ny fiarovan-tseza tanteraka izany izao ny fiheverana izay hampandrosoana ny firenena

ho an’ity fitondràna Rajoelina ity. Izay no nisongadina, fara-faha keliny, tao anatin’ny herinandro izao. Isan’ambaratongany mihitsy ny fifandimbiasam-panambarana satria niainga tamin’ny an’ireo antoko politika na koa fivondronana antoko politika manohana izao fitondràna izao no nodimbiasin’ireo depiote IRMAR na mpanohana fitondràna manerana ny nosy ary mbola nanampy izany indray koa aza avy eo, tsy hay hoe inona loatra no antony nanaovan’izy ireo izany manokana, ny depiote IRMAR voafidy teto amin’ireo boriboritany miisa 6 teto Antananarivo renivohitra. Vita izay dia ny filohan’ny antenimierandoholona mihitsy, izay mpandimby toerana filoham-pirenena amina fotoana ilàna izany, tahaka ny fifidianana filoham-pirenena, ohatra, no namoaka fanehoan-kevitra milaza fa malemy ny ivelan’ny fitondràna na ny mpanohitra ka tsy hisy fanonganam-panjakàna izany eo na koa hoe azy ireo izany ny basy satria dia hoe na ireo mpitandro filaminana saika hitroatra tao anatiny aza voafehiny ihany. Iny koa ny filoham-pirenena fa dia mbola niresaka manodidina izay tsy hisy fanonganam-panjakàna izay ihany. Nametra-panontaniana moa tetsy ankilany ireo ivelan’ny fitondràna hoe fa iza no miheritreritra hanongam-panjakàna eto? Izany ve izany izao no mampivaky loha ny fitondràm-panjakàna ankehitriny fa tsy ny hamoaka ny vahoaka malagasy ao anatin’izao fahantrana lalina efa mianjady aminy izao? Aiza ho aiza ao anatin’izany rehetra izany ny tatitra mikasika ny fampandrosoana ity firenena ity, araka ilay tarigetra hoe «Madagasikara tsy maintsy mandroso!»? Izao iaraha-miaina sy mahita ankehitriny izao ve izany no antsoina hoe mandroso?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT