Fihetsiketsehana tany Ambatofinandrahana

“Tsy ekenay ny fanesorana ny depiotenay, tsy miala amin’i Christine R.”


  • Alatsinainy 08 Aprily 2024

Nafampana tao Ambatofindrahana tamin’iny faran’ny herinandro iny.

Nanao hetsika naneho ny tsy fanekena ny fanesorana ny Filohan’ny Antenimierampirenena Christine Razanamahasoa ireo mponina. Voafidim-bahoaka ara-dalàna, fanitsakitsahana ny zonay! Raisinay ho fanosihosena ny zo aman-kasin’ny safidinay, ary fanaovana tsinontsinona ny voalazan’ny lalàmpanorenana. Avereno ny depiotenay, tsy ekenay, tsy ekenay,… hoy ny horakakoraky ny vahoaka. Ankoatra ny horakaroka dia naneho izany tamin’ny alalan’ny sorabaventy ny vahoakan’Ambatofinandrahana, taorian'ny fanesorana tsy ho depiote an-dRazanamahasoa Christine. Santionany tamin'izany ny hoe : "Aza hosena ny zonay Ambatofinandrahana", "Tsy ekenay ny fanesorana ny depiotenay Ambatofinandrahana", "Izahay tsy miala amin-dRamatoa Christine",... Fanontaniana mipetraka ny hoe: mbola ho kandida solombavambahoaka ve ity farany sa tsia eo anatrehan’ny fisian’ireo vahoaka naneho fa tsy miala aminy?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT