Fihetsiketsehana ny betsaka

Mpitondra tsy mahavita manasoa vahoaka


  • Talata 03 Jona 2025

Raha mba mifanaraka amin’ny fihetsiketsehana moa ny asa atao maninona.

Fa ny manahirana dia be loatra ny kabary sy fampanantenana ary seho ivelany eto Madagasikara. Mialohan’ny taona 2009 dia efa mazava tsara ny resak’ilay filoha naongana : Ny mahasoa anareo aloha no atao izay vao ny mahafinaritra anareo. Ankehitriny koa toa tezaina mihitsy ilay vahoaka ho variana amin’ny endrika ivelany, ny fetifety aman-danonana ka vao misy irika kely dia indro manao lanonana ofisialy ahitana izao karazana anarana rehetra izao. Rehefa dinihana anefa ny zava-bita dia tsy tena misy vokatsoa any amin’ny fiainam-bahoaka sy ny toekarem-pirenena amin’ny ankapobeny.
POROFO HITA ISAN’ANDRO
Azo hanaporofoana izany ny fitomboan’ireo mpivarotra amoron-dalana, mpivarotra mitety fokontany, olona mivaro-pananana, olona mpanao asan-tselika izay hita, olona mitady asa any ivelany. Fa eo ihany koa ny fitomboan’ny mpangalatra, mpanendaka, mpanao sintomahery, mpisoloky….Teren’ilay fahasahiranana ny olona ka lasa mamono tena mitady ilay « aleo mihinan-kely toa izay mandry fotsy » ; misy moa no lasa manaotao foana fa efa reraka ny miasa saina hoe hanao inona indray.
MIHISATRA BE
Ny tena zava-doza dia miala any ambanivohitra ireo mpamboly sy mpiompy satria reraka amin’ny asa famokarana kanefa sady miha kely ny vokatra no mbola somparan’ny malaso ihany koa. Ry zareo no lasa mpivarotra amoron-dalana sy taxi bisikileta any amin’ny tanan-dehibe.Io no vola vetivety, ary misy isan’andro hoy izy ireo. Mihena arak’izany ny mpamokatra, mitombo isa anefa ny mpihinana sy mpanjifa. Rehefa tsy ampy ny entana dia lasa miaka-bidy eny an-tsena. Dia miodinkodina eo ilay fiainan-dRamalagasy. Mazava be amin’izany zava-misy izany fa tsy hain’ny fanjakana ny mametraka rafitra hampiroboroboana ny famoronan’asa, fananganan’orinasa, fampirisihana ireo mpandraharaha hanao misimisy kokoa. Tsy mbola vitan’ilay fanjakana ny manome toky ny tantsaha mpamokatra , fanampiana mandalo dia miserana no misy, tsy hita izay tena vokany ho an’ny daholobe. Tahaka ny atao teny filamatra fotsiny ilay hoe fahavitan-tena ara-tsakafo fa ny asa mivaingana ahatongavana any aminy tsy mazava, hatreto. Dia io iaraha-mahita io ny fahasahiranana, atao ahoana tokoa moa no hiresaka fampandrosoana kanefa ny famokarana sakafo ho an’ny mponina sy fifehezana ny angovo enti-miaina sy miasa aza tsy voafehy ?
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT