Manao antso avo foana aho, hoy ny kandida ho ben’ny tanàna ao Farafangana, Falison Jocelin Rantenaina, alefaso amin’ity taona ity ny fifidianana !
Efa vonona ireo kandida, hoy izy. Tsy olana ny fihemorana raha mijanona ho amin’ity taona ity ihany fa olana kosa raha midila amin’ity taona ity satria misy fiantraikany amin’ny resaka fitantanam-bolan’ireo kandida izany. Mety hilaina amina zavatra hafa tampoka, hoy izy, ny tetibola raha aorian’ny desambra. Olana faharoa, ho lany ny fe-potoam-piasan’ireo ben’ny tanàna amin’izao ireo raha amin’ny herintaona. Hametraka PDS indray ve izany ? Raha hajanona eo koa anefa ireo dia mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ve ? Izany antony rehetra izany, hoy izy, no tsy maintsy hanatontosana ny fifidianana amin’ity taona ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.