Politique

Fihaonan’ny mpanohitra omaly Raikitra indray ny hoe : « tsy nahazo alalana ianareo ! »


  • Zoma 24 Febroary 2023

Fa maninona moa ny mpanohitra no ao amin’ny PK 0 Soarano, izay efa iaraha-mahalala fa an’olona akaikin’ny fitondrana no mivory?

Fanontaniana napetraky ny mpanara-baovao omaly io nahita ny vondrona Panorama nifampiarahaba tratry ny taona tao amin’ity toerana ity omaly. Niverina toy izany koa ny fanontaniana sasany toy ny hoe sao dia mba sinema ifanaovan’ny mpitondra sy mpanohitra sasany indray aza izy ity? Tetsy ankilany koa anefa dia raikitra indray ihany koa ny resaka alalana tsy azo toy ny efa nitranga teny amin’ny Magro Behoririka sy ireo toerana hafa marobe tany amin’ny faritany rehefa mivory ny mpanohitra. Nosakanan’ny mpitandro filaminana teo ambavahadin’ny « Cercle des cheminots » tsy hiditra tao anaty vavahadin’ny PK 0, ohatra, ny mpikambana eo anivon’ny tanora RMDM, Christian Tabera. Nifandimbiasana teo moa ny fifanazavana. Ny mpitandro filaminana nilaza ny hetsika ho tsy nahazo alalana. Ny tetsy ankilany kosa nilaza fa nahazo alalana avy any amin’ny prefektiora mihitsy ny hetsika ary fifampiarahabana noho ny fahatrarana ny taona vaovao no atao fa tsy zavatra hafa akory. Rehefa nifanazava ora maro teo moa dia navelan’ny mpitandro filaminana niditra ihany ity mpanao politika ity. Nitaraina ho niharan’izay fanakantsakanana izay koa, ohatra, ny depiote nisolontena ny antoko politika Tiako I Madagasikara, Feno Ralambomanana, saingy tafiditra ihany koa avy eo. Inona indray izany no tena ambadik’ity hetsika Panorama ity sy ireny zava-niseho rehetra omaly ireny? Velom-panontaniana ny maro.
J. Mirija
Legende: Christian Tabera, nifanazava tamin’ny mpitandro filaminana teny Antanimena omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT